- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Sivana tamin'ireo tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra roa

Sokajy: Yemen, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanakana ny fidirana amin'ny tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra miisa roa (www.al-shoura.net [1] sy www.aleshteraki.net [2]) ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra ao Yemen noho ny tatitra momba ny toe-draharahan'ny mahaolona sy ny ady ifanaovan'ny tafika sy mpikomy Shiita any amin'ny faritany avaratr'i Sa'ada [3]. Araka ny voalazan'ireo mpiasan'ny fanampiana, nitarika ny “fahafatesan'ny sivily sy miaramila an-jatony sy famindrana toerana olona miisa 30.000 ka hatramin'ny 35.000” ny fifandonana.

Ny 26 May 2007, nanatri-maso ny fanombohan'ny loharanom-baovao maro voalohany mpisolelaka sy ny milina fikarohana [4] ao Yemen izay, “afaka manaisotra ireo lohateny avy amin'ny tranokalam-baovao izay sakanan'ny manampahefana ” araka ny filazan'ny mpaneho hevitra [5], izahay.