- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety hiatrika telo taona an-tranomaizina ilay Rosiana bilaogera LiveJournal

Sokajy: Rosia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2008)

Mety higadra telo taona an-tranomaizina (Azafady vakio ny tantara manontolo ato amin'ny Global Voices [1]) ilay bilaogera Rosiana 23 taona, Dmitry Shirinkin, izay nanoratra tantara foronina tao amin'ny bilaoginy [1] aingam-panahy tamin'ny fakàna sary tao Virginia Tech [2]. Nitantana ny bilaogy LiveJournal i Dmitry Shirinkin tamin'ny lohateny hoe tetraox ary nanoratra momba ny fividianana basy sy famonoana olona maromaro tao amin'ny iray amin'ireo anjerimanontolo ao an-tanàna. Voampanga ho “nanaitra fisian'ny fandrahonana fampihorohoroana amim-pahadisoana [3]” izy.

“Nandinika ny bilaogin'i Dmitry ny biraon'ny mpampanoa lalàna ary nahita fa naniry hitifitra olona am-polony izy”, hoy ny tatitry ny Russia Today [3]. Na izany aza, nangataka mpandalina fiteny ny mpisolovavan'i Shirinkin mba hanome ny heviny amin'ny maha-manampahaizana azy amin'ity lahatsoratra mampiady hevitra ity. Nahemotra amin'ny 20 septambra ny fitsarana.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Russia Today (jereo ny horonantsary etsy ambony), nilaza i Shirinkin hoe: “Tsy nihevitra velively aho fa mety hiteraka fihetsika tahaka izany avy amin'ny sampan-draharahan'ny fiarovana ny fanoratana lahatsoratra fohy. Nanadihady ahy izy ireo, nanontany ny misy ny basiko, kanefa tsy manana basy aho na iray aza. “

Araka ny voalazan'ny Russia Today, nahatonga an'i Dmitry ho malaza ny bilaogy talohan'ny fitsarana satria nahazo ny anarana bilaogera tsara tsara indrindra ao amin'ny faritra izy. Amin'ny lafiny iray, sahiran-tsaina ireo bilaogera Rosiana satria mety hiteraka ohatra ratsy ho an'ireo mpisera aterineto ao amin'ny firenena ny raharaha Shirinkin.

Bilaogera Livejournal Rosiana iray hafa  [4]koa no miatrika sazy roa taona an-tranomaizina na onitra 100.000-robla (4000 dolara) noho ny “fandrisihana fankahalàna” polisy. Araka ny voalazan'ny mpampanoa lalàna ara-paritra, Komi [5], ilay hafatr'i Sawa Terentyev, 21 taona izay voalaza fa manafintohina – ary efa nesorina tao amin'ny tranokala – dia ahitana “antso mivantana mikendry handrisika fankahalana na fanoherana, ary koa manimba ny fahamendrehan'ny … vondrona ara-tsosialy manokana: ny polisy. “