- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

RSF: Fanangonan-tsonia hanafahana an'i Kareem sy Monem

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka ny fanangonan-tsonia [1] niantso ny fitondrana Ejipsiana hanafaka ireo bilaogera Ejipsiana roa Kareem Amer [2] sy Abdel-Monem Mahmoud [3] ny Reporters Sans Frontières [4]. Nanentana ireo mpisera aterineto hanasonia izany fanangonan-tsonia izany ny RSF ary hanakana an'i Ejipta amin'ny fampiantranoana ny Internet Governance Forum [5] (IGF) tamin'ny taona 2008 (fihaonambe nokarakarain'ny Firenena Mikambana) raha tsy havotsotra ireo bilaogera roa.

“Mandrisika ireo mpikarakara ny Internet Governance Forum izahay mba hiditra an-tsehatra hiresaka amin'ny manampahefana Ejiptiana amin'ny anaran'ireo bilaogera roa ireo. Tsy azo ekena ny hanatontosana vovonan'ny Firenena Mikambana momba ny hoavin'ny Aterineto ao amin'ny firenena iray managadra bilaogera “, hoy ny RSF tao anaty fanambarana.

Nalefa ho an'ny filoha Ejipsiana, ho an'ny Mpandrindra Mpanatanteraka ny IGF, ary ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana ny fanangonan-tsonia tamin'ny aniversera voalohany nisamborana an'i Kareem Amer, ny 6 Novambra 2007.