- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manaramaso ny “cybercafes” ny polisy ao Mumbai

Sokajy: India, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

Amin'ny ady ataony amin'ny fampihorohoroana, dia mikasa ny hametraka mpandrakitra zavatra tendrena amin'ny kitendry [1] any amin'ny cybercafe ny polisy ao Mumbai. Araka ny filazan'i Vijay Mukhi [2], Filohan'ny Orina Mpanasoa Misahana ny Teknolojia sy ny Fiarovam-baovao:

The police needs to install programs that will capture every key stroke at regular interval screen shots, which will be sent back to a server that will log all the data.

The police can then keep track of all communication between terrorists no matter, which part of the world they operate from.This is the only way to patrol the net and this is how the police informer is going to look in the e-age.

Mila mametraka programa izay hahitana ny zavatra tendrena ara-potoana amin'ny pikantsary ny polisy, ka hiverina indray any amin'ny lohamilina iray mandray ny angon-drakitra rehetra.

Afaka manara-maso ny fifandraisana rehetra eo amin'ny mpampihorohoro avy eo ny polisy, na aiza na aiza ny faritra manerana izao tontolo izao iasan'izy ireo. Izany no hany fomba hanarahamaso ny aterineto sy ny fomba fijerin'ny polisy mpanome vaovao amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto.

Ity rindrambaiko vaovao fanarahamaso [2] antsoina hoe CARMS (Rafitra fanarahamaso an-davitra amin'ny fidirana aterineto), takian'ny polisy ao Mumbai amin'ny cybercafe miisa 500 ao an-tanàna ho apetraka ity, “dia hahita izay tendren'ny mpiserasera rehetra amin'ny kitendry ary hanome izany vaovao izany any amin'ny governemanta – saika amin'ny fomba ara-potoana amin'ny alalan'ny feon'izany, “hoy ilay mpanao gazety Indiana, Amit Varma [3].