- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Egyptiana maro no voasambotra

Sokajy: Ejipta, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nalaina an-keriny [1] raha teny an-dalana hanatrika ny fitokonana teo anoloan'ny Antenimieram-bahoaka tao Le Caire ilay Egyptiana bilaogera MaLeK [2] (fantatra amin'ny anarana hoe MaLcoLM X).

Araka ny nolazain'ilay bilaogera Amr Gharbeia [3], nangataka ny mpikatroky ny antoko Ghad i Malek mba hitatitra ny fisamborana any amin'ny Ivon-Dalàna Hisham Mubarak .

Notaterina ihany koa [4] fa nisy bilaogera roa hafa notànana: Mohammad Gamal [5] (fantatra amin'ny anarana hoe Gimihood) sy Mina [6] (fantatra amin'ny anarana hoe Haj Girgis).