- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voaràra avy any Etazonia ny bilaogy ThinkProgress avy ao amin'ny tambajotra miaramila amerikana ao Baghdad

Sokajy: Etazonia, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Septambra 2007)

ThinkProgress Ban

Hafatra diso voarain'ny miaramila amerikana rehefa niezaka ny hiditra tao amin'ny bilaogy ThinkProgress avy amin'ny tambajotra miaramila amerikana ao Baghdad (Sary: American Progress Action Fund)

Voarara ao amin'ny tambajotra miaramila amerikana ao Baghdad ny bilaogy liberaly ThinkProgress [1]. “Ny fandraràna dia nanomboka fotoana fohy taorian'ny 22 Aogositra, raha i Ret. Maj. Jen. John Batiste no bilaogera vahininay tao amin'ny ThinkProgress [2]. Namoaka lahatsoratra iray izay nanakiana mafy ny politikan'ny filoha izy ary nandrisika ny” fametrahana indray ny fandraisana andraikitra any Iraka.” hoy ny ThinkProgress.