- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Atsaharo ny famonoana anay vehivavy’ — fanentanana vaovao manohitra ny herisetra an-tokantrano ao Angola

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta
Manifestação em Luanda: #Paremdematarasmulheres | foto Simão Hossi [1]

Fihetsiketsehana tao Luanda, Angola, nampiasa ny tenirohy #Paremdematarasmulheres amin'ny teny Portiogey, na ‘Atsaharo ny famonoana vehivavy’, Sarin'i Simão Hossi, nahazoana alalana. 

Raha hita faty [2] tao an-tranony ilay mpisolovava 26 taona, Carolina Joaquim de Sousa da Silva tamin'ny 3 Desambra 2018, niaiky ny heloka vitany ny vadiny ary notanan'ny sampan-draharahan'ny fanadihadiana heloka bevava ao Angola fantatra amin'ny hoe SIC.

Tamin'io herinandro io ihany, nisy famonoana vehivavy iray hafa notaterin'ny Angola Public Television izay nilaza fa tovovavy iray no voalaza fa notsindromin'ny sipany taloha tamin'ny antsy.

Mahatonga ireo vehivavy Angoley ho malina ireo tranga heloka bevava mahery vaika ireo ary nitarika fanentanana vaovao hanohitra ny herisetra an-tokantrano antsoina hoe “Atsaharo ny Famonoana Vehivavy [3]“, nokarakarain'ny fikambanana Ondjango, fikambanam-behivavy tsy miankina amin'ny fanjakana. Amin'ny fampiasana ny Facebook izay fitaovam-pifandraisana lehibe ampiasain'izy ireo, ny tanjon'izy ireo dia ny hanentana manoloana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao Angola:

Estes têm sido dias difíceis. Na verdade, para nós mulheres, muitos dias são difíceis e dolorosos porque ainda vivemos em contextos onde se justifica quase sempre, de uma ou de outra forma, todo o tipo de violência contra nós. E nestes últimos dias, em particular, ficou tudo ainda mais penoso por termos de lidar com as reacções que vieram à tona depois do caso de Carolina…

A violência contra as mulheres é real, é mesmo. Não é coisa da cabeça de feministas, não é invenção ou discurso vazio: É REAL! Carolina, infelizmente só acrescentou as estatísticas, houveram muitos outros casos antes dela que vieram a público e existem milhares de outros casos que não vêm a público. É um problema que está aí à porta, aos nossos olhos. E é um problema que extrapola relações entre um ou outro casal: é um problema estrutural.

Há uma estrutura que dita e relega as mulheres a papéis de subalternização que as torna em potenciais alvos de violência de todos os tipos e a todos níveis. Esta estrutura de supremacia masculina que paira sobre nós e muitos negam existir, e que não é invisível, faz isto: mutila e destrói as vidas das mulheres e MATA!

Nós, mulheres singulares e também enquanto colectivo, vamos continuar a gritar ‘parem de nos matar’ e de ‘ferir a nossa existência’. Queremos leis que nos protejam e sejam aplicáveis de facto, queremos políticas públicas que tragam aos debates e às instituições o respeito da nossa humanidade. Queremos uma sociedade onde não tenhamos medo de sair à rua! Vamos continuar a reivindicar uma sociedade onde tenhamos as nossas liberdades de ser, de sentir, de andar e pensar como quisermos. Vamos continuar a reivindicar uma sociedade onde possamos viver em segurança.

Andro sarotra tato ho ato. Raha ny marina, dia ho antsika vehivavy, maro ireo andro sarotra sy mampalahelo satria mbola miaina anaty toe-javatra iray isika, izay amin'ny lafiny iray, ialàna tsiny foana ny karazana herisetra rehetra atrehantsika. Ary tao anatin'ny andro vitsivitsy indrindra indrindra, dia vao mainka nampalahelo ny niatrika ireo fanehoan-kevitra izay tonga taorian'ny raharaha Carolina …

Tena misy ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, tena misy tokoa. Tsy zavatra ao an-dohan'ireo feminista izany, tsy zava-poronina na  kabary tsy misy dikany: FA TENA MISY IZANY! Indrisy fa manampy ireo antontanisa fotsiny i Carolina, maro ireo tranga hafa talohan'izany izay nisarika ny sain'ny besinimaro ary misy tranga an'arivony maro hafa izay tsy nahataitra ny sain'ny besinimaro. Olana iray hita eo an-tokonam-baravarana, eo anoloan'ny masontsika izany. Ary olana iray mampiseho ny fifandraisana eo amin'ny mpivady na hafa – olana ara-drafitra.

Misy ny rafitra izay mandidy sy mametraka ny vehivavy amin'ny andraikitra ho olom-pehezina, ka mahatonga azy ireo ho mora lasibatry ny herisetra rehetra isan-karazany sy amin'ny ambaratonga rehetra. Ity rafitra fanjakazakan'ny lehilahy izay manaloka antsika ity sy maro no mandà ny fisiany — ary tsy hoe tsy hita maso izany — no manao izany: manimba sy mamotika ny fiainan'ny vehivavy ary MAMONO!

Isika, vehivavy tsirairay, ary koa amin'ny maha-fiarahamonina, dia hanohy hihiaka hoe ‘atsaharo ny famonoana anay’ sy ny ‘fanimbàna ny maha-olona anay’.

Mila lalàna izay miaro anay izahay ary tena azo ampiharina, mila politikam-panjakana mitondra ny fanajana ny maha-olona anay ao anaty adihevitra sy ny andrim-panjakana izahay. Mila fiarahamonina izay tsy atahoranay ny mivoaka eny an-dalambe! Hanohy hitaky fiarahamonina ahafahanay manana ny fahalalahanay hisy, hahatsapa, handehandeha sy hihevitra araka ny tianay izahay.

Hanohy hitaky fiarahamonina ahafahanay miaina anaty filaminana izahay.

Mandritra izany, niteraka fanehoan-kevitra manohitra avy amin'ireo lehilahy sasantsasany ny fanentanana, izay nahita fanamarinana momba ny firongatry ny herisetra amin'ny vehivavy. Ny fanentanan-dry zareo dia antsoina hoe “Atsaharo ny Famadihana anay” ary hevero fa antony iray mahatonga ny herisetra an-tokantrano mihatra amin'ny vehivavy ny famadihana anay lehilahy. Na dia tsy nahasarika loatra aza ny fanentanan'izy ireo, dia niteny mihitsy ilay mpiangaly rap Angoley, Gil Slows Allen Russel [4] hoe:

Parem de trair os outros, por favor chegaaaaa de corno. É um grito de clamor, mulheres se não nos querem mais peçam divórcio antes de trair se não vão bazar mesm.

Atsaharo ny mamadika ny hafa, miangavy, tsy mila fampirafesana intsony. Hiaka mafy izany, ry vehivavy, rehefa tsy tia anay intsony ianareo, dia mangataha fisaraham-panambadiana alohan'ny hamadihana anay, mandehana.

Nitsikera ity fomba fijery ity ilay sôsiôlojista Mbangula Kemba [5], manamafy fa tsy tokony vahana amin'ny herisetra ireo olana ara-panambadiana.

Nankatoa ny lalàna momba ny herisetra an-tokantrano fantatra amin'ny hoe 25/11 tamin'ny taona 2011 i Angola izay manameloka ny hetsika herisetra rehetra an-tokantrano ho toy ny heloka bevava. Na izany aza, maivana ny sazy amin'ity lalàna ity, izay roa ka hatramin'ny valo taona an-tranomaizina.

Niantso ho amin'ny fampiharana tsara ny lalàna tao amin'ny media sosialy i Sizaltina Cutaia [6], mpikatroka sady feminista any Angola, izay malaza amin'ny asany momba ny zon'ny vehivavy, :

Não basta só agravar as penas, senhora Vice Presidente do MPLA, é preciso que o Estado crie estruturas condições para combater a violência, os compromissos assumidos em 2007 por via da ratificação do protocolo de Maputo precisam de ser efectivados. Para além disso, há que criar estruturas para atender as vítimas e enact legislação complementar que garanta de facto a realização dos direitos das mulheres. Isso inclui toda a legislação em torno dos direitos sexuais e reprodutivos das mulheres.

Não adianta fazer discurso contra a violência doméstica e depois apoiar políticas que autorizem os fiscais e polícias diariamente agridam mulheres nas rua, é contraditório!

Não adianta fazer discurso contra a violência doméstica e apoiar um OGE que não acautele os serviços sociais cujo subfinanciamento todas sabemos impacta negativamente a vida das mulheres. É preciso dar sentido aos discursos com accoes concretas. Put the money where the mouth is.
#paremdematarasmulheres [7]

Tsy ampy ny mampitombo ny sazy, Rtoa filoha lefitry ny MPLA [Hetsi-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Angola], ilaina ny famoronan'ny fanjakana fepetra ara-drafitra hiadiana amin'ny herisetra — mila ampiharina ny fanomezan-toky tamin'ny taona 2007 tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny arofenitr'i Maputo. Ankoatra izany, ilaina ny mamorona rafitra hanampiana ireo niharam-boina ary mametraka lalàna fanampiny izay miantoka ny fanatanterahana ny zon'ny vehivavy. Anisan'izany ny lalàna rehetra momba ny zo ara-nofo sy fananahan'ny vehivavy.

Tsy ilaina ny manao kabary manohitra ny herisetra an-tokantrano ary avy eo manohana politika izay manome alalana ny inspektera sy ny polisy hiherisetra amin'ny vehivavy isan'andro eny an-dalambe, mifanohitra izany!

Tsy ilaina ny manao kabary manohitra ny herisetra an-tokantrano ary avy eo manohana ny tetibolam-panjakana izay tsy miaro ny tolotra ara-tsosialy, ny hakelin'ny famatsiam-bola izay fantatsika rehetra fa misy fiantraikany ratsy amin'ny fiainan'ny vehivavy. Ilaina ny manome lanja ireo kabary miaraka amin'ny hetsika mivaingana. Ataovy eo amin'ny vavanao ny volanao.

#stopkillingwomen

Namaly ireo izay manohy mamporisika ny fifandraisana mahery setra i Cecília Kitombé [8], vehivavy feminista:

Alguns dos que estão a dizer e a escrever textão contra violência as mulheres afirmando que está demais, são os mesmos que aconselham as filhas, irmãs e primas a continuarem em relações abusivas, sob pretexto de que na conversa de marido e mulher não se mete a colher, outros ainda te dizem continue, a vida a dois é mesmo assim… Há ainda aqueles que acham que a mulher pode tudo, mas nunca esquecer o seu “papel”…

Parem de nos matar!!!

Ny sasany amin'ireo izay … manizingizina fa tafahoatra loatra [ ny manohitra ny herisetra ao an-tokantrano], dia mitovy amin'ireo izay manoro hevitra ny zanakavavy, ny anabavy sy ny zanak'olo-mpiray tam-po mba hijanona amin'ny fifandraisana feno fanararaotaona, eo ambanin'ny filazàna fa ao anatin'ny resaky ny mpivady, tsy mahazo mitsabaka ianao, ary tahaka izany koa ireo hafa milaza aminao mba hanohy, ny fiainan'ny mpivady … misy koa ireo mieritreritra fa afaka manao ny zava-drehetra ny vehivavy, fa tsy tokony hanadino na oviana na oviana ny “anjara asany”…

Atsaharo ny famonoana anay!!!