- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fitsidihana trano fitaizana beantitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahasalamàna, Fivavahana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2007)

Ramadan [1] no volan'ny “tsara”. Izany no fomba fihevitry ny silamo manerantany. Noho izany dia aza gaga raha mahita karazana endrika “asa soa” ataon'ireo tanora etsy sy eroa ianao. Afaka mahita olona vitsivitsy manatevin-daharana ONG mpanao asa soa manomana ny “harona Ramadany” (Kitapo feno sakafo ilaina amin'ny Ramadany, toy ny vary, menaka, lafarinina sns ..) ianao ary mizara izany amin'ny mahantra. Mety mahita olona mitsidika ireo trano fitaizana zaza kamboty sy trano fitaizana antitra ianao- tahaka ny nolazain'i BlueRose [2], tanora dokotera Ejipsiana sady bilaogera taorian'ny fitsidihany trano fitaizana antitra iray:

من أيام كنت بافطر مع مجموعة من أجمل من عرفت , هم سكان دار واحدة للمسنين , كانت أول مرة أخرج معاهم عادة كنت باشوفهم في الدار
كما قلت من قبل أكتر مشكلة بتواجه العمل العام مع المسنين هو قلة المتطوعين و المتبرعين كمان للأسف

Andro vitsy lasa izay dia tsy nanaja ny fifandian-kanina niaraka tamin'ireo vondron'olona mahafinaritra indrindra hitako aho – olona ao amin'ilay trano fitaizana beantitra ihany. Io no fotoana voalohany niarahako nivoaka tamin'izy ireo, satria matetika aho mahita azy ireo ao anatin'ny trano.
Araka ny efa nolazaiko teo aloha, ny olana goavana indrindra amin'ny fiarahamiasa amin'ireo zokiolona dia ny tsy fisian'ny mpilatsaka an-tsitrapo sy mpanolotra fanomezana

Ankoatra izay, manazava ny fahasarotan'ny fitadiavana mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fiarahamonina atsinanana toa an'i Ejipta izy, noho ny antony roa lehibe:

من جهة لأن قاطني دور المسنين أغلبهم مصاب باكتئاب مرضي , و دا غالبا مش هاتفرق معاه أي حاجة, و بالتالي أحيانا ما يجد البعض محاولات اسعاد هؤلاء محبطة

Etsy an-daniny, dia saika miaritra fahaketrahana ny ankamaroan'ny olona rehetra ao amin'ny tranon'ny beantitra, sady tsy miraharaha na inona na inona, ka mahita ny mpilatsaka an-tsitrapo fa sarotra ny mampifaly azy ireo.

من جهة تانية المعضلة الأخلاقية , يرى البعض أن الترفيه عن سكان دور المسنين بل و مجرد وجود دور للمسنين أصلا غير أخلاقي لأنه عامل مساعد للعاق لترك أهله

Etsy ankilany, mihevitra ny olona vitsivitsy fa ratsy ny mitsidika ny trano fitaizana beantitra na koa ny fisian'ny toerana toy izany,  voalohany indrindra, satria mahatonga ny zanakalahy sy zanakavavy handao ny ray aman-dreniny.

Blue Rose kosa avy eo nitantara ny zavatra niainany manokana izay nilazany hoe:

كنت في فترة بافكر بنفس المنطق , ساخطة دوما على عائلات من ألقاهم في تلك الدور , حتى مرة في زيارة سابقة لنفس الدار سألنا لو كان هناك احتياج للبطاطين عند دخول الشتاء , فأجابتني المشرفة ان الدار قد وفرت لهم بطاطين فعلا , و أن هناك متبرعين قاموا باهدائهم بطاطين أخرى , لكن أغلبهم أعطاها لأبنائه!!!!!
ماعرفتش أضحك ولا اتنرفز ولا اعيط
قررت ألا أحكم على أبنائهم و لو اكراما للآباء الذين مازالوا يحملون كل هذا الحب لهم , قررت ألا اسخط عليهم ولا أدعو عليهم ولا أفكر فيهم أصلا
قررت أن يكون عملي مع الثروة الحقيقية فقط لا غير
مع أهل العطاء

Nieritreritra hevitra tahaka izany foana aho taloha, tezitra foana amin'ny fianakaviana izay mametraka zokiolona amin'ny trano toy izany, mandra-pahatongan'ny fotoana iray nitsidihako trano fitaizaina beantitra hafa ary nanontany raha mila bodofotsy bebe kokoa amin'ny ririnina. Na izany aza, namaly ilay mpikarakara ny trano fa efa nisy mpilatsaka an-tsitrapo hafa nanolotra bodofotsy kanefa dia naleon'ny ankamaroan'ireo zokiolona nanolotra izany ho an'ny zanak'izy ireo indray.
Tsy nahafantatra aho raha tokony hihomehy sy ho tezitra na hitomany.
Ary nanomboka teo, dia nanapa-kevitra tsy hitsara ny zanany aho, na dia ho fanomezam-boninahitra fotsiny ny ray aman-dreniny izay mbola manana izany fitiavana izany ho azy ireo ary nanapa-kevitra hampifantoka ny asako rehetra amin'ny tena harena fa tsy amin'ny hafa; amin'ireo olona mpanome ihany.