- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitoriana bilaogy noho ny fanalam-baraka tao India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2005)
Mediaah! logo

Tsy misy intsony ny Mediaah! [1]. Nanandratra ny tenany ho mpitsikera “mahery vaika tsy mitanila” ny media Indiana, indrindra ny Times of India, [2] ilay bilaogy mampiady hevitra mpitsikera media, tantanan'i Pradyuman Maheshwari, tonian-dahatsoratry ny Maharashtra Herald ao Pune. Amin'ny alalan'ny teny filamatra, “Ny Median’ ny Media. Vaovao sy fanehoan-kevitra tsy misy famerana ao amin'ny media Indiana”, Nanakiana mafy ny Times ny Mediaah, ka novaliana fitoriana fanalam-baraka sy fitakiana fanesorana ireo lahatsoratra 19 ao amin'ny tranonkala Mediaah izany!. Raha tokony hanaisotra ireo notsongaina, dia nisafidy ny hanakatona tanteraka ny tranonkala i Maheshwari.

Manoratra ao amin'ny Online Journalism Review an'ny USC Annenberg, mahita ny toe-draharaha ho toy ny fanehoan-kevitra mampalahelo momba ny toetran'ny tsikera ny media ao India i Mark Glaser [3]. Nanipika i Glaser fa ny fanakianana vao haingana nataon'i Maheshwari dia avy amin'ny hetsika mahatsikaiky nataon'ny MediaNet [4] tamin'ny Times, izay ahafahan'ny olona sy ny orinasa mividy “tranobe fahatsiarovana” – sary sy lahatsoratra famantarana ao amin'ny pejy fanoratan'ny Times of India.

Milaza ireo feo manodidina ny tontolon'ny bilaogy Indiana izy, anisan'izany ny namako ao amin'ny WorldChanging, Rohit Gupta [5], izay miantso ireo bilaogera mba hijoro manoloana ny Times, mampitandrina fa, “Mahakasika ny fahalalahan'ny bilaogera rehetra avy any India izany, ka hiady ho azy izahay. ” Nandray anjara ihany koa ny bilaogy tahaka ny Mediaha [6] sy Save Mediaah [7].

Saingy tsy ny rehetra no malahelo mahita ny fahalasanan'ny Mediaah! Tsy miraharaha i Kiran Jonnalagadda [8]: “Rehefa mitsikera ny tsy fisian'ny etika amin'ny famoahan-dahatsoratra ianao, dia tsy manao izany amin'ny fiantsoana ireo mpamoaka azy ho mpivaro-tena, mamorona tantara, [9]fa manala tsiny ny tenanao amin'ny ‘haha, mba mivazivazy fotsiny.'” Ary manana lahatsoratra lavalava i Dance With Shadows, milaza fa nataon'ny tenany ny ratran'ny [10] Mediaah!