- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fivondronan'ny bilaogera miteny Espaniola

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fiteny, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Natombok'i Carmen ity tetikasa vaovao iray ity, Espaniôla iray manana fahalianana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fanoratana bilaogy amin'ny teny Espaniôla. Nanomboka nanangona bilaogy vitsivitsy izay nanintona ny sainy izy ary efa nihoatra ny zato ny lisitra tamin'ny fotoana nanoratana. Tsy ny tarehimarika ihany no mahatalanjona, fa izy ihany koa dia mieritreritra ny hifindra any amin'ny tolotra natokana ho an'ny fampiantranoana bilaogy. Ho tombontsoan'ny bilaogera miteny espaniola rehetra ny fampandehanana ny tetikasa .

Milaza ny Union de Bloggers Hispanos [1] fa leon'ny mijery ireo bilaogy afatsy amin'ny teny Anglisy fotsiny:

Pues yo estoy cansada, y por ello quiero crear este blog para que todos podamos colocar en él nuestros blogs y navegar por ellos entender lo que decimos, poder dicutir con otros miembros que hablen en nuestra lengua, en fin entendernos.

Eny tokoa, leo izany aho ary noho izany dia te-hamorona ity bilaogy ity mba hahafahantsika mahita ny blaogintsika rehetra ao, ary amin'ny alalan'ny fitetezana azy ireo, mba hahatakarana izay lazaintsika; mba hahafahana mifanakalo hevitra amin'ireo olona miteny amin'ny fitenintsika, mba hifankahazo resaka ihany ny farany.

Noho izany, ary noho ny GV [2] dia afaka mahazo ity sombim-pampahafantarana ity ianao. Ny bilaogy izay an'ny Fivondronan'ny Bilaogera Espaniola (UBH) dia ho voasokajy araka izay ifanarahana amin'ny mpanoratra ny bilaogy saingy azonao atao ny mijery ny lisitra rehetra eto [3] na mandray anjara amin'ny fomba efa tranainy mba ho hitan'ny raboto fikarohana amin'ny alalan'ity sary-soratra [4] ity .