Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 29 Desambra 2018

”Tsy Vitsika Isika” : Boky Vaovao Manindrahindra ny Fijerena ny lafitsaram-piainana

Boky sy sehatra an-tambajotra iray ny No Somos Hormigas (Tsy vitsika isika), tetikasa amin'ny teny Espaniola izay natokana ho an'ny ''fibanjinana ny lafitsaram-piainana anaty fahalalàna.'' Voatanisa ho isan'ireo tetikasa fanavaozana ara-piarahamonina hita anatin'io ny Global Voices.

Ahoana no ahafantarantsika amin'ny tantara an-tsarin'i Marcelo D'Salete ny lasa sy ny ankehitrinin'i Brezila

"Mety hanampy izany hitondra fanovana toe-tsaina amin'ny fitsinjovana ireo vondron'olona misy eto Brezila, hanoherana ny fijery tokana manjaka, izay mbola manasaratsaraka ireo vondron'olona ireo amin'ny toerana samihafa sy amin'ny an-tanantohatra samihafa."

Anio, tohano ny Global Voices!

Ny asanay no porofo fa afa-manova ny fahafantaran'ny olona izao tontolo izao ny fifandraisan'ny olona mihoatra ny tsipiky ny fahasamihafana.

Però: Bilaogera avy ao Ica

Ny tanànan'i Ica no tena voakasiky ny horohorontany Peroviana manokana vao haingana. Maro amin'ireo fanavaozam-baovao sy antso ho an'ny firaisankina no avy amin'ireo bilaogera ao an-tanànan'i Lima. Nikaroka ireo bilaogera avy ao an-tanànan'i Ica ny mpanoratra ao amin'ny GV, Juan Arellano ary nahita ireto bilaogy ireto.

Bilaogy Peroviana vao haingana

Mavitrika tato ho ato ny sehatra ara-politika, satria bilaogera isan-karazany no matetika nandefa momba ny zava-nitranga vao haingana ary anisan'ny nanintona ny saiko indrindra nyy nosoratan'i "La Morena" momba ny kandidan'ny antoko politikan'ny fitondrana

Fivondronan'ny bilaogera miteny Espaniola

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Natombok'i Carmen ity tetikasa vaovao iray ity, Espaniôla iray manana fahalianana manokana amin'ny fampiroboroboana ny fanoratana bilaogy amin'ny teny Espaniôla. Nanomboka nanangona bilaogy vitsivitsy izay nanintona ny sainy izy ary efa nihoatra ny zato ny lisitra tamin'ny fotoana nanoratana....

Tamin'ny fifaninanana lahatsary sy lahatsary amin'ny finday ho an'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra manerantany

Fifaninanana telo samihafa no nisokatra ho an'ireo bilaogera an-dahatsary manerana izao tontolo izao tamin'io taona 2008 io, natao manokana ho an'ny olontsotra manoratra isan'androa na amin'ny sokajy ho azy ireo. Iray ho an'ny sarimihetsika amin'ny finday, iray ho an'ny fampiroboroboana toe-javatra tianao arovana ary ny farany dia fitaterana vaovao amin'ny...