- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tamin'ny fifaninanana lahatsary sy lahatsary amin'ny finday ho an'ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra manerantany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Latina, Eoropa Andrefana, Brezila, Espaina, Israely, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2008) 

Fifaninanana telo samihafa no nisokatra ho an'ireo bilaogera an-dahatsary manerana izao tontolo izao tamin'io taona 2008 io, natao manokana ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra na amin'ny sokajy ho azy ireo. Iray ho an'ny sarimihetsika amin'ny finday, iray ho an'ny fampiroboroboana toe-javatra tianao arovana ary ny farany dia fitaterana vaovao amin'ny alàlan'ny lahatsary an-tserasera.

Avy any Espaina, ElPais.com [1] mitondra antsika ny Movil Film Fest [2], horonantsary 1 minitra amin'ny finday aterineto. Na dia mifototra amin'ny sarimihetsika natao tao an-toerana aza izy io, izay antsoin'izy ireo hoe “firenena”, dia tsy misy ny famerana momba izay zo-pirenen'ireo mpamokatra, na dia ireo horonantsary ao an-toerana ihany aza no hifaninana amin'ny loka lehibe, ireo lahatsary avy any ivelan'i Espaina dia hanana ny sokajiny manokana. Ny lahatsary rehetra dia tsy tokony hihoatra ny 1 minitra ary nalaina tamin'ny finday na PDA, izay antsoin'izy ireo hoe fitaovam-pifandraisana. Mbola hatramin'ny 21 aprily 2008 no farany fandefasana ny lahatsary.

Ny zava-baovao tamin'io taona io, hisy ny loka ho an'ny lahatsoratra tsara indrindra amin'ny olom-pirenena manoratra isan'andro, na dia mbola tsy nilaza izay loka hozaraina aza izy ireo. Hisy ihany koa ny loka ho an'ny mendrika indrindra ho an'ny sarimihetsika vahiny tsara indrindra sy ny sarimihetsika tsara indrindra “Vita ho an'ny finday”. Hifidy ireo sokajy lehibe ny mpitsara ary ny mpijery dia hifidy ny tiany indrindra amin'ny sokajy safidin'ny mpijery farany. Tamin'ny herintaona [2007], dia natao tamin'ny hafatra SMS ny fifidianana, saingy tamin'ity taona ity dia nesorin'izy ireo izany ary nanokatra izany ho amin'ny fifidianana an-tserasera.  Azo jerena ato amin'ity rohy ity ny lahatsary nalefa tamin'ny herintaona [3].

Ny fifaninanana faharoa dia fifaninanana manerantany mifototra amin'ny tranokala tambajotra sosialy myspace.com. Mitaky amin'ireo tanora 14 ka hatramin'ny 24 taona manerana izao tontolo izao izy ireo mba “haka horonantsary ny lohahevitrao” ao anatin'ny 30 segondra mahery saingy latsaky ny roa minitra. Ny loka dia ahitana fianarana asa any amin'ny fikambanana isan-karazany toy ny USA Today, ny Firenena Mikambana ary ny Humane Society, na izany aza dia misy ny famerana ny zom-pirenena ary indraindray tsy maintsy mandoa ny tapakilan'izy ireo, ny trano ipetrahan'izy ireo  ary ny sakafo mandritra ny fianarana asa ataon'ireo mpandresy, ary ny vatsim-pianarana 5000 dolara USD dia natao ho an'ny olom-pirenena Amerikana ihany, ka mahatonga ny loka ho tsy mahasarika ireo mpandray anjara iraisam-pirenena. Na dia izany aza, ireo horonantsary mandresy dia halefa amin'ny tambajotra samihafa, fahitalavitra sy tranonkala. Efa misy lahatsary vitsivitsy sahady nalefa ho an'ity fifaninanana ity, ary manana fotoana hatramin'ny 14 aprily ireo mpandray anjara raha handray anjara amin'ny sokajy maromaro.

Ny safidin'ny Mpitsara iraisam-pirenena tamin'ny taona lasa dia Dolly Ovadia Nahon avy any Haifa, Israel [4], izay nanoratra hoe:

“I chose woman trafficking because it feels to me that its a subject that has fallen out of the social agenda, prostitutes are stigmatized and that makes there freedom less viable.
800,000-900,000 women and children are trafficked and prostituted against their will worldwide each year. This is the story of one of them. Modern Slavery must be Stoped!!!”

“Nisafidy momba ny fanondranana vehivavy an-tsokosoko aho satria tsapako fa lohahevitra tsy hita amin'ny fandaharan'asa ara-tsosialy izany, voahilikilika ny mpivaro-tena ka mahatonga ny fahafahana ho tsy azo iainana kokoa.
Vehivavy sy ankizy 800.000-900.000 maneran-tany isan-taona no aondrana an-tsokosoko ary mivaro-tena tsy araka ny sitrapony. Ity no tantaran'ny iray amin'izy ireo. Tsy maintsy atsahatra ny Fanandevozana Maoderina!!! “

Ireo mpandresy ho an'ny “Sampan'ny firenena mikambana momba ny vaovao ho an'ny daholobe – Loka ho fampahafantarana anao ary Lokan'ny mpijery ho an'ny Sarimihetsika Iraisam-pirenena” dia lasan'ny mpianatra 10 momba ny fifandraisana iraisampirenena avy any Brezila, mampiseho sombiny manazava ny herisetra an-tanandehibe ao Rio de Janeiro [5]:Fahafahana iray hafa hahazoana vola sy hampalaza anarana ho anao ny fifaninanana lahatsarin'ny olompirenena ‘manoratra’ isan'andro nokarakarain'ny VideoNews24.net[es] [6]. Na dia ireo bilaogera an-dahatsary Espaniola aza no tena mampiasa izany, dia misokatra ho an'ny olona te-handray anjara izany. Nisokatra tamin'ny 1 martsa ny fifaninanana ary hifarana amin'ny 31 Jolay. Ny lahatsary telo voalohany no hofantenana avy amin'ireo izay be mpitia indrindra sy laharana ambony indrindra omen'ny mpiserasera ary hofidiana amin'izy ireo avy eo izay ho mpandresy. Ny torolalana feno ho an'ny fandraisana anjara dia azo jerena amin'ny fanarahana ity rohy ity [es] [7].

Ireo ny fifaninanana telo misokatra ho an'ny olom-pirenena amin'ny zom-pirenena rehetra: mahafantatra fifaninanana hafa ho an'ny lahatsarin'ny mediam-bahoaka ao amin'ny firenena na faritra misy anao ve ianao? Tianay raha mizara izany ao amin'ny fanehoan-kevitra ianao!