- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efa Hita amin'ny Teny Espaniola ny Torolàlana ‘Manorata Bilaogy ho ana Fotokevitra!’

Sokajy: Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)
Blog Por Una Causa! [1]
Efa hita amin'ny teny Espaniola [1] ny Blog for a Cause! [2], ilay Torolàlana ho an'ny Blog Advocacy (Fiarovana amin'ny alàlan'ny Bilaogy) nataon'ny Global Voices, [3] isaorana i María Florencia Puente [4] avy ao amin'ny Global voices en Español [5] tamin'ity dikateny ity.

Manolotra fika mora arahina amin'ny fomba fampiasàna ireo bilaogy ho isan'ny hetsipanentanana enti-manohitra ny tsy rariny io torolàlana io ary manasongadina ohatra mahomby amin'ireo bilaogy fiarovana manerana izao tontolo izao. Ahitàna fizaràna dimy izy io:

  1. Fanontaniana matetika mipetraka momba ny atao hoe Fiarovana amin'ny alàlan'ny Bilaogy
  2. Singa 5 lehibe indrindra hampahomby ny bilaogy fiarovana iray
  3. Dingana efatra famoronana bilaogy fiarovana
  4. Ahoana no hamadihana ny bilaoginao ho vondrompiarahamoninà mpirotsaka antsitrapo mavitrika
  5. Fika hanampiana ireo mpikatroka mafana fo mampiasa bilaogy hieren-doza anaty aterineto.

Afaka trohana amin'ny endrika failo PDF ny Blog Por Una Causa! [1]. Mety hila hametraka ny Adobe Acrobat Reader [6] maimaimpoana ao anaty solosainao ianao hijerena izany.

Miangavy anao hisintona ny Blog Por Una Causa! [1] ary hanampy anay handika ny torolàlana amin'ny teninao.

Raha mila fanazavàna fanampiny, miangavy anao hifandray amin'i Mary ao amin'ny MaryCJoyce [ at ] gmail [ dot ] com na amin'ny Mpandrindra ny Global Voices Advocacy, Sami Ben Gharbia, ao amin'ny advocacy [ at ] globalvoicesonline [ dot ] org.