- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitohy ny fihetsiketseham-panoherana herisetra ao Belgrade, raha tafavoaka velona tamin'ny fikasana hamonoana azy ilay mpanao gazety

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Fihetsiketseham-panoherana herisetra notontosaina tamin'ny 15 Desambra tao Belgrade, Serbia. Saripikan'i Vesna Radojević [1], nahazoana alalana.

Mitohy ny fihetsiketsehana ambany teny tigetra “Atsaharo ny akanjo mihosin-dra” tamin'ny 15 desambra, ka olona tombanana ho 20000 no mitaky ny governemanta serba hampitsahatra ny herisetra am-bava sy am-batana izay mitsikera azy.

Ity lanonana nokarakazain'ny antoko mpanohitra ity dia taratry ny fihetsiketseham-panoherana voalohany [2] nitranga herinandro talohan'izao, nateraky ny fanafihana nahazo mpitsikera governemanta iray [3] izay nihosin-dra tanteraka ny akanjony rehefa notafihan'ny jiolahimboton'ny pro-governemanta izy. Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, efa ho avo roa heny ireo olona nanao diabe am-pilaminana nanavatsava ny afovoan-tanàna, natosiky ny toe-javatra maro nitranga ny herinandro mialoha izany.

Mampiseho ny hetsika avy eny an-kianja ny lahatsary maharitra 2 minitra avy amin'i Bojan Dzodan:

Tamin'ny alin'ny 11 desambra, olon-tsi-fantatra maromaro no niezaka ny hamono an'i Milan Jovanović ao amin'ny monisipaliten'i Grocka, tanàna itatr'i Belgrade. Nisy nitoraka cocktails Molotov nytranony, avy eo nitifitra tamin'ny varavarambe, niezaka ny hamandrika an'i Jovanović sy ny fianakaviany tao an-trano. Efa ho 70 taona i Jovanović ary manana toe-pahasalamana tsizarizary.

Niezaka ny handositra tamin'ny alalan'ny varavarankely any ambadika i Jovanović sy ny vadiny raha levon'ny afo ny fananan-dry zareo. Niezaka ny hitondra azy ireo tany amin'ny hopitaly ny olona monina manodidina, ary tsara aro.

Nahazo fandrahonana i Jovanović noho ny nilazany ireo trangan-kolikoly tao an-toerana, saingy tsy nanao na inona na inona idirana an-tsehatra ny manampahefana.

“Tsy hitsahatra ny manoratra momba ny mpangalatra aho, na dia mamono ahy aza ireo,” hoy [4] i Milan Jovanović raha vao nisy ny fanafihana.

Nilaza [ny Praiminisitra] Brnabić “Malalaka ny fampahalalam-baovao any Serbia, afaka mitsikera ny governemanta daholo na iza na iza.”
Eny ary. Nisy bandy iray nanandrana dia may ny tranony.

Nanomboka fitarihana fitia tsy mba hetra [6] hanampiana ny fianakavian'i Jovanović ny orina mpanasoa Slavko Ćuruvuja, nahazo anarana ho fanomezam-boninahitra mpanao gazety iray nisy namono tamin'ny taona 1999 [7], miainga amin'ny fampitaovana ara-pitsaboana ho azy sy ireo filàna fototra, toy ny sakafo sy fitafiana.

Miantso ireo olompirenena sy ireo FTMF (ONG) izahay hanolotra fanampiana mba ahafahantsika mamory farafahakeliny 100.000 dinars (manodidina ny 950 dolara) ho amin'ny fanampiana maika indrindra an'i Milan Jovanović, mpanao gazetin'ny vavahadim-baovao Žig, izay nisy nitoraka cocktail Molotov ny tranony ny alin'ny talata mifoha alarobia. Aelezo ny feo!

Maro ireo olompirenena namaly avy hatrany, rehefa nizara ny antso hanaovana fihetsiketsehana vaovao. Hatramin'izao ny fanentanana dia nahavory vola manakaiky ny $13.000 USD.

Hita tamin'ny valiny nataon'ny manampahefana tamin'ny fitakian'ny fihetsiketsehana tamin'ny 8 desambra ny fampielezana vaovao diso sy fandisoam-baovao izaitratra, ary ny fanambaràna nataon'ny Filoha Aleksandar Vučić nanao hoe [12]: “Mandehana hatrany hatrany amin'izay tianao aleha, fa tsy hamaly ny fitakianareo mihitsy aho. Na dia dimy tapitrisa aminareo aza no mivory.”

Maro tamin'ireo mpihaino no nametraka fifandraisana mivantana teo amin'ny fisian'ny rivotra iainana manamora ny herisetra ataon'ny governemanta, ny valintenin'ny filoha ary ny fanafihana tao Grocka.

Tamin'ny fihetsiketsehana notontosaina tamin'ny asabotsy lasa teo, notakian'ny olompirenena ny hamaranana ny herisetra. Ny filohan'ny repoblika niteny fa tsy hanome fahafaham-po amin'ny fitakiana na dia olona 5 tapitrisa aza no mivory. Dia misy ny olona sasany mahazo ny hafatra ho tahaka izao.

Notsongaina tamin'ny sioka misy lahatsary: Fikasana hamono ny mpanao gazety Milan Jovanović.
May trano, tifitra tamin'ny varavarambe mba tsy hisy ny ho afa-mivoaka. Jovanović: “Tsy hitsahatra ny hanoratra momba ireo mpangalatra sy ny mafia aho, na dia hovonoiny aza…” #Serbia #AttackOnJournalists

Naneho fanohanana ny fihetsiketseham-panoherana ny vahoaka tamin'ny fampiasana ny teny tarigetra “Iray amin'ny dimy tapitrisa aho” (hashtag #1od5miliona [15]) izay fanondroana mivantana ny fanamarihan'ny filoha. Manana mponina eo ho eo amin'ny enina tapitrisa eo i Serbia.

Taorian'ny fihetsiketsehana, maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanohana azy no naneho sary avy eny an'habakabaka ny hetsika tao anaty alina manoramandry (manorana ranomandry), azavain'ny jiron'ny fety eny amin'ny lalamben'ny tanàna.

Nilaza ny Filohan'i Serbia malaza ratsy amin'izao fa tsy horaharahiany na dia misy olona 5 tapitrisa manao fihetsiketsehana manohitra azy aza. Mampahatsiaro ahy ny teny amin'izao endrika governemanta izao
Ny voalohany 10k (iray alina), ny faharoa 20-25k (anelanelan'ny roa alina sy ny dimy arivo sy roa alina), amin'ny Asabotsy

Ny fihetsiketsehana manaraka dia hotontosaina amin'ny Asabotsy 22 desambra ho avy izao.