Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

18 Desambra 2018

Tantara tamin'ny 18 Desambra 2018

Mitohy ny fihetsiketseham-panoherana herisetra ao Belgrade, raha tafavoaka velona tamin'ny fikasana hamonoana azy ilay mpanao gazety

GV Mpisolovava

Heverina ho nitombo indroa avy heny ny fihetsiketseham-panoherana taorian'ny fampilazana nataon'ny filoha serba fa tsy hamaly mihitsy ny fitakian'ny mpProtests are estimated to have doubled in size after Serbian president vows "never" to meet demonstrators' demands.

Novonoin'ny Federasionan'ny Fanatanjahantena Ireo Nofinofin'ny Olaimpiana Hoy ny Didy Avy Amin'ny Tribonaly ao Trinidad & Tobago

Nisy fivadibadihanana sy fihodikondinan-javatra mihoatra lavitra noho ny zimnastika fanao mahazatra ny antambo rehetra, saingy nihevitra ny rehetra fa tsy ara-dalàna ny fanalàna ankeriny an'i Williams ary niady mafy ireo mpisolovava azy hatramin'izay mba hahazoany rariny.

Ejipta: Ny Kianjan'i Tahrir, Nofinofy Kely Iray

Iray amin'ireo endriky ny revolisiôna niseho tao Ejipta ny fiainana andavanandron'ireo mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja Tahrir. Nandritra ny roa ambinifolo andro, teo an-kianja izy ireo no nonina. Manaraka ny onjany manokana ankehitriny ny fiainana eo an-kianja Tahrir, ary ny fanantenana manjaka ao anatiny dia ny nofinofy kely iray.

Iran: Fitokonan'ny bisy sy ireo bilaogera tany Israely

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niezaka nitarika fitokonana ny mpamily bisy Iraniana mba hanatsarana kokoa ny fepetran'ny asa sy ny famotsorana ny mpitarika ny sendikan'izy ireo. Bilaogy fitantarana hetsika iray, Otobos1 (midika hoe bisy amin'ny teny Persiana ny Otobos), dia noforonin'ny mpanohana ny sendikan'ny bisy...

Arabia Saodita: Tohanan'ny mpiserasera ny Ejipsiana amin'ny fitroarany

Nampindrana ny fanohanany tamin'ny Ejipsiana amin'ny fitroarana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak nitondra nandritra ny 30 taona ny mpiserasera Saodiana. Maro ny mijery ireo tatitra ary maneho hevitra amin'ny fivoarana eny an-kianja raha miditra amin'ny andro fahafito ireo fihetsiketsehana lehibe mitaky ny fiovam-pitondrana.