- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Avy indray ny orana ao Jeddah

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Voina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2011)

Treacherous clouds in the Jeddah skies

Rahona be eny amin'ny lanitr'i Jeddah. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr Ahmad Nawawi, ampiasaina amin'ny Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0) 

Niharan'ny orambe indray [1] ny tanàna seranan-tsambo Ranomasina Mena ao Jeddah, Arabia Saodita, mamerina indray ny tenifototra #Jeddahrain malaza ao amin'ny Twitter. Ireto manaraka ireto ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto, izay naneho ny fahatezerany tamin'ny kolikoly sy ny fahasimban'ny fotodrafitrasan'i Jeddah.

Milaza ny tatitra fa farafaharatsiny 11 no maty, 100 no naratra ary mbola mikatona ny sekoly hatramin'ny 13 febroary. Maro ny faritra mbola tondra-drano, tsy misy fifandraisana amin'ny finday noho ny fahasimban'ny tilikambom-pifandraisan-davitra. Mitohy ihany koa ny fahaverezana ara-toekarena [2], noho ny fahaverezan'ny fidiram-bola avy amin'ny fizahan-tany ary ny fahasimbana ankapobeny amin'ny fananana sy ny filàna fotodrafitrasa maika.

Avy ao amin'ny Twitter:

@hlabeek [3]
السعوديين في ظل الدولة السعودية ليس مسموح لهم إدارة شؤونهم بينما لو كانو احرارلإستطاعوا أن يديرو العالم بأكملة بالحضارة والثروة #JeddahRain

Ny Saodiana eo amban'ny fitondran'ny firenena Saodiana dia tsy afaka mitantana ny fandraharahan'izy ireo manokana, na izany aza, raha afaka izy ireo dia hitondra izao tontolo izao miaraka amin'ny sivilizasiona sy ny harena.

Miresaka amin'i Jeddah:

@HendFM [4]
#JeddahRain Don't ever let anyone tell you you deserve that .. Don't ever let anyone tell you you deserve that!!

#JeddahRain aza avela hisy olona hilaza aminao fa mendrika anao izany. Aza avela akory ny olona hilaza aminao fa mendrika anao izany

@AlwaleedKahled [5]mitodika any amin'ny mpanjaka Saodiana:

#JeddahRain يا عبدالله الإنسانية و يا سلطان الخير حولكم رجال يعشقون الفساد لدرجة ان يسرقونا فاقتصوا منهم و أوكلوا أرواحنا على القوي الأمين
Ry Abdullah-n'ny olombelona sy Sultan-ny hatsaram-panahy, misy ireo olona manodidina anao izay tia kolikoly loatra ka lasa mangalatra aminay. Sazio izy ireo azafady ary omeo ho an'ireo matanjaka azo itokisana ny fanahinay.

@khalooddy [6] nanampy hoe:

حماية الدولة من الانهيار منوط بمحاربة الفساد و مراعاة حقوق المواطنين وإلا ستلقى الدولة السعودية الثالثة مصير الأولى والثانية#jeddahrain
Miankina amin'ny ady amin'ny kolikoly ny fiarovana ity firenena ity tsy hirodana ary mijery ny zon'ireo olom-pirenena, raha tsy izany, hiharan'ny Voalohany sy ny Faharoa ny firenena Saodiana Fahatelo.

@Zeerkh [7] nisioka hoe:

#JEDDAHRAIN #Jeddah متى يجي اليوم اللي يغار فيه امين جدة من مدينه الجبيل الصناعية
Rahoviana ny ben'ny tanànan'i Jeddah no hialona ny ben'ny tanànan'ny indostrialin'i Aljubail?

@DrAbOaD [8] manamarika hoe:

#JeddahRain ما يقهرك الا اللي يقوول حذرنا و تكلمنا وهو اول الحرامية
Tsy misy zavatra mahakivy kokoa noho ireo izay milaza fa efa nampitandrina anareo mialoha izahay, ary izy ireo no lehibe indrindra amin'ireo mpangalatra.

Fanehoan-kevitra bebe kokoa avy amin'ny bilaogy:

Crossroads Arabia nilaza [9] hoe:

Perhaps it’s time for Saudi Arabia to step back from ‘newer!-faster!-better!-bigger!’ for a while and spend serious money on fixing the infrastructure, not only in Jeddah, but in all major cities.

Angamba fotoana ho an'i Arabia Saodita izao mba hiala amin'ny ‘vao haingana kokoa!'haingna kokoa! tsara kokoa!-lehibe kokoa mandritra ny fotoana fohy ary mandany vola be amin'ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, tsy ao Jeddah ihany, fa any amin'ny tanàna lehibe rehetra.

Khaled, avy ao amin'ny Khaled Rambles [10] nanangona lahatsary ao amin'ny youtube izay azonao jerena ato [11].

Saudi Jeans nanampy hoe [12]:

Obviously, none of last year’s lesson has been learned. The situation is beyond disastrous, with many losses in souls and property.

Miharihary, tsy nisy nianarana ny lesona tamin'ny taon-dasa. Vao mainka ratsy ny zava-misy, marobe ny fahaverezana aina sy fananana

ary Ibrahim Alsuhaibani [13] nanoratra momba ny fifandraisantsika amin'ny orana:

المشكلة يا جماعة ليست في المطر.. المشكلة في كيفيّة [علاقتنا ] معه.
Tsy ny orana no olana, ny fifandraisantsika aminy no olana.

@halmustafa [14] namorona hashalbum, tamin'ny anarana hoe Jeddahrain [15].

Nampiasa media sosialy ny hafa mba hanavotana ireo mila fanavotana:

@Jozeaph [16]
صبي عمره بين ٤ الى ٥ سنوات يبكي ويرفض التحدث شعره بني طوله ٨٤ يرتدي شورت اخضر وتيشيرت ابيض لمن يعرف هويته الإتصال على

0544477105 #jeddahRain

Zazalahy teo amin'ny 4 na 5 taona teo no mitomany sy tsy mety miteny, volo miloko mainty, 84 cm ny halavany, manao pataloha fohy maitso sy lobaka fotsy. Antsoy ny 0544477105 raha fantatrao izy.

ary avy amin'ny iray amin'ireo pejy fanavotana [17] ao amin'ny Facebook:

مطلوب على وجه السرعة كوادر صحية شباب فقط للنزول الميداني من طب (خامس واكبر) او تمريض ويشترط pls يرجى التوجه الى مركز معارض الحارثي قبل السادسة ٠٥٦٥٤١٨٢١٣

Ilaina maika tokoa, mpanome fanampiana ara-pahasalamana avy amin'ny sehatry ny fitsaboana na mpitsabo mpanampy. Azafady antsoy raha afaka manampy ianao 0565418213

@fofetta_senpai [18]For Anyone who walked in the floods You HAVE to take Tetanus vaccine Spread the World #JeddahRain

Ho an'ireo izay nandeha tamin'ny tondra-drano, TSY MAINTSY mitsindrona vakisiny Tetanosy ianao, ampitampitao #JeddahRain

Farany, nisy bilaogy natsangana amin'ny anarana hoe Jeddah Leaks [19], mba hampisehoana ireo nandray andraikitra tamin'ny kolikoly, izay miteraka faharavana goavana isaky ny mitondra orana ny lanitra.