- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miditra vanim-potoana vaovao ny fifandraisana India-Amerikana

Sokajy: Amerika Avaratra, Azia Atsimo, Etazonia, India, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, gazety, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2008)

Tany am-piandohan'ity volana ity, nanaisotra [1] ny sazy maherin'ny 30 taona amin'ny varotra nokleary amin'i India ny governemanta amerikana. Nanasonia volavolan-dalàna manome alalana ny fanampian'ny Amerikana ny fandaharan'asa angovo nokleary sivily ao India ny filoha Amerikana Bush ary ho setrin'izany dia mamela ny fitaovany nokleary arahan'ny Fikambana iraisam-pirenena momba ny angovo atomika maso i India.

Riding the Elephant mihevitra fa miaraka amin'ity fifanarahana ity, dia niditra vanim-potoana vaovao [2] ny fifandraisana amerikana-India, kihon-dalana vaovao. Marina ve izany? Azo antoka fa maro amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra no mihevitra izany ary nisy adihevitra mafana marobe tao India sy Etazonia momba ilay fifanarahana, nefa tena mahavariana ny antony tsy dia hisian'ny adihevitra be eo amin'ireo bilaogera Indiana momba ity lohahevitra lehibe ity.

Jayashree Bajoria ao amin'ny Filankevitry ny Fifandraisana ivelany mamelabelatra ny tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny fifanarahana nokleary Amerikana-India [3] (fantatra amin'ny anarana hoe fifanarahana 123) izay heveriny fa kihon-dalana amin'ny fifandraisana eo amin'i Etazonia sy India.

DeepitA ao amin'ny Desicritics [4] nanoratra hoe, “Ity (fifanarahana nokleary) ity dia anisan'ireo fifanarahana mafana sy iadian-kevitra be tato ho ato.” Nasongadiny ny fanoherana natrehin'ny firenena roa tonta tamin'ny fidirana tamin'ny fifanarahana ary nanamarika izy hoe:

“The United States also had to face opposition internally, both within the Administration, and outside in the strategic community; people were reluctant to approve any exemptions to the NPT (Nuclear Non-Proliferation Treaty [5]); thought was that this gave India the right to use its uranium resources to push its military weapons program; also that this gave the wrong signal to others such as Iran and Pakistan.”

“Tsy maintsy niatrika fanoherana tao anatiny ihany koa i Etazonia, na tao amin'ny Fitondràna, na ivelan'ny fiarahamonina stratejika, misalasala ny vahoaka hankatoa fiavahana amin'ny (Fifanekena tsy hanaparitaka Nokleary) [5]. Noheverina fa manome zo ho an'i India mba hampiasa ny hareny oranioma hanosehana ny fandaharan'asa ara-pitaovam-piadiana miaramila izany, ary nanome marika diso ho an'ny hafa, tahaka an'i Iran sy Pakistana koa izany. “

Ireto misy fanamarihana vitsivitsy avy amin'ny fomba fijery amerikana momba ny fifanarahana. Mahaliana fa samy nankatoa ny fifanarahana ireo kandidà ho filoham-pirenena Barack Obama sy John McCain, hoy i Siddharth Varadarajan nanoratra tao amin'ny lahatsoratra bilaoginy [6].

Shashi Tharoor, izay mpikambana ofisialy ao amin'ny Firenena Mikambana, nilaza izao tao amin'ny lahatsorany ‘Nahoana i India no Tia an'i Bush [7]‘:

“The fact is that the Indo-US relationship may well be the Bush administration's most significant (or perhaps only) international achievement of the last eight years. Look around the globe, and all you see are foreign policy shambles: five years of war in Iraq, accompanied by Abu Ghraib, torture, and rendition; a never-ending “global war on terror,” with Guantánamo a symbol of the Bushies’ disregard for international law; rock-bottom opinion polls across Europe; a seething Middle East, a glowering Russia; and hostile powers from Iran to Venezuela. If there is a glimmer of light – one place in the world where the Bush administration leaves a better relationship than the one it inherited—it can only be India.”

“Ny zava-misy dia mety ho zava-bita iraisam-pirenena lehibe indrindra (na angamba tokana) amin'ny fitantanana Bush nandritra ny valo taona farany ny fifandraisana Indo-amerikana. Jereo izao tontolo izao, ary ny hitanao dia loza momba ny politika ivelany:, toy ny ady dimy taona any Iraka, miaraka amin'i Abu Ghraib, fampijaliana, ary fanarenana, “ady manerantany amin'ny fampihorohoroana” tsy misy fiafarany, miaraka amin'i Guantánamo, mariky ny tsy fankasitrahan'ireo mpanohana an'i Bush ny lalàna iraisam-pirenena, ny fitsapan-kevi-bahoaka tsy mbola nisy toy izany manerana an'i Eoropa; ny Afovoany atsinanana – Rosia mamirapiratra sy ireo fahefana mahery setra avy any Iran hatrao Venezoela. Raha misy ny fanantenana kely, dia i India irery ihany no toerana iray eto amin’ izao tontolo izao izay nametrahan'ny governemanta Bush fifandraisana tsara kokoa noho izay nolovainy .”