Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

29 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 29 Novambra 2018

Miblaogy mikasika an'i India, NRIs, Bokkywood sy ny Cricket An-dranomandry

Sasany amin'ireo zavatra jerentsika ao anatin'ity fanaovana bango tokana ity ny mpanangona blaogy vaovao, ohatrinona ny mividy trano ao Bangalore, ny NRI, ny Bollywood Anglisy, ny cricket an-dranomandry.

India: Wal-mart, Bangalore ary BarCamp Bangalore II

Sasany amin'ireo lohahevitra jerentsika ao anatin'ny fibangoana an'ity herinandro ity mikasika ny zavatra Indiana rehetra ny Tombontsoam-Pirenena, Wal-Mart, Aterineto, Barcamp, Bangalore sy ny Bollywood.

Tabatabam-blaogy avy any Azia Atsimo

Sahirana tamin'ny fanoratana mikasika ny teknolojia, lamaody, toekarena sy sarimihetsika ireo blaogera Aziatika Tatsimo tamin'ity herinandro ity.

Ejipta: Literatiora “Kleenex” ao amin'ny foaran'ny boky iraisampirenena ao Kairo

Nataon'ny bilaogera ejipsiana nihotakotaka ny Foaran'ny boky iraisampirenena 2009 tao Kairo tamin'ny famoahan-dry zareo lohatenim-boky vaovao miisa 15. Ny dinan'ny mpanoratra no mametraka ny literatioran'ny bilaogera ho literatiora "Kleenex".

Miditra vanim-potoana vaovao ny fifandraisana India-Amerikana

Tany am-piandohan'ity volana ity, nanaisotra ny sazy maherin'ny 30 taona amin'ny varotra nokleary amin'i India ny governemanta amerikana. Nanasonia volavolan-dalàna manome alalana ny fanampian'ny Amerikana ny fandaharan'asa angovo nokleary sivily ao India ny filoha Amerikana Bush.

Adihevitra momba ny fifanarahana nokleary India-Etazonia

Nandritra ny volana vitsy lasa izay dia nisy adihevitra mafana tao India momba ny fifanarahana nokleary nataony tamin'i Etazonia. Vahaolana iray nanaovan'ny Praiminisitra Manmohan Singh fandresen-dahatra mafy izany ary niezaka ny hahazo fifanarahana ara-politika.

Obama sy India

Ny fifidianana an'i Barack Obama no zava-nitranga be mpijery indrindra tany Inde. Toa i Obama no safidy ho Filoha ho an'ny bilaogera maro any India. Ity misy sombiny vetivety momba ireo fanehoan-kevitra voalohany avy amin'ireo bilaogera any India momba ny dika ara-tantara tamin'ny fifidianana an'i Obama.

Bolivia: Bilaogera notendrena ho ao amin'ny Fitsarana Fifidianam-Pirenena

Amin'ny ankapobeny ny firaisamonin'ny bilaogy boliviana manohana ny mpikambana ao aminy. Vao haingana ny bilaogera fanta-daza iray no notendrena hoe amin'ny toerana ambony iray ao amin'ny governemanta boliviana. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho maro ny fanohanana sy ny fiarahabana tamin'izany fanendrena vaovao izany saingy...

Bilaogera Aziatika Atsimo miresaka momba ny loka Nobel-n'ny fandriampahalemana azon'i Obama

Ny Filohan'i Etazonia Barack Obama nahazo ny loka Nobel lehibe ho an'ny fandriampahalemana androany. Araka ny filazan'ny komitin'ny Nobel, nahazo izany izy noho ny "ezaka niavaka nataony hanamafisana ny diplaomasia iraisam-pirenena sy ny fiaraha-miasa eo amin'ny vahoaka".