- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanolotra ny fitantarana mivantana [1] momba ny horohorontany tany avaratr'i Japana [2] ireo bilaogera Japoney .

Hoy ny bilaogera Japoney iray:

The fridge door swung open, the goldfish bowl fell off the shelf, and it was just a terrible situation inside the house…There have been a lot of earthquakes here in recent years, which makes me a little worried. And it shook for such a long time…

Nitanilanila ny varavaran'ny vata fampangatsiahana, nianjera ny tavoahangy nisy ny trondro mena, ary tena nisahotaka ny zava-nitranga tao an-trano … Nisy horohorontany maro nitranga teto tao anatin'ireo taona faramparany, ka nahatonga ahy somary niahiahy . Ary naharitra ny fihozongozon'izany.

Takafumi Horie, lehiben'i Livedoor [3], 32 taona, izay nanolotra ny fitaovana famahanana bilaogy malaza indrindra tao Japana, dia nanao fanentanana ho an'ny Antoko Demaokraty Liberaly eo amin'ny fitondrana ho kandidà kintana [4] amin'ny fifidianana parlemantera, izay natao ny 11 Septambra 2005. Nahazo diplaoma tao amin'ny Onivesiten'i Tokyo i Horie ary naniry ny hifaninana tamin'ilay olo-malaza Shizuka Kamei izay andrarezin'ny LDP teo aloha ary nesorina tao amin'ny antoko noho ny fanoherana ny volavolan-dalànan'ny Praiministra Junichiro Koizumi  momba ny fanavaozana ny paositra.

Fanavaozam-baovao: Kandidà tsy miankina i Horie.

Ankoatra ny fanolorana ny fandefasana DVD fitondra an-tanana maimaim-poana [5] ho an'ny bilaogera vaovao (izay hatramin'ny 30 Septambra 2005 ihany, fa nisy ny famerana sasany !) dia nikarakara fifaninanana isam-bolana ho an'ireo bilaogy Japoney miisa roapolo malaza be indrindra [6] ny Ameba Blog [7], ary ny loka dia teo anelanelan'ny 5.000 yen (eo amin'ny 45 dolara ) sy 100.000 yen (900 $ ). Ny isan'ny jeri-pejy no nijerena taratra ireo bilaogy malaza.

Nahazo vola mitentina 5.000 yen teo amin'ny toerana faha-12 ny bilaogy Japan's Outrageous Asian Neighbours [8], izay nasongadina tato amin'ny Global Voices [9]. Ny bilaogy momba ny fiantsenana [10] sy ny olo-malaza [11] no anisan'ireo nahazo ny vola mitentina 10.000 yen, raha nahazo ny loka mitentina 30.000 yen kosa ny bilaogy natokana ho an'ny lalao flash sy ny zavatra hafa [12].

Nahazo vola mitentina 100.000 yen ny bilaogy voalohany ho an'ny volana Jolay, ary azo adika tsotra hoe Manana bibibe ho an'ny vady aho! [13] ny lohateniny. Nitantara ny fiainan'ny bilaogera iray nijaly niaraka tamin'ny vadiny ny bilaogy, izay nanasongadina ny asakanton'ny sariitatra . Mampihomehy ny feon'izy ity, ary tena nanohina ny mpamaky azy ilay bilaogy ka lasa navadika ho andian-tantara manga [14] sy ho fandaharana tamin'ny fahitalavitra tao amin'ny Fuji Television [15], izay tambajotra mifandray akaiky amin'i Livedoor.

Matetika hita miara-miasa ny Livedoor sy ny Cyberagent [16], ilay orinasa lohan'ny Ameblog.

Nisy ihany koa ny fikasana hamadihana ny “Manana bibibe ho an'ny vady aho!” ho horonan-tsarimihetsika amin'ny hoavy .

Mazava ho azy fa ny Ameba Books [17], fanontam-pirinty ao amin'ny Ameblog, dia tsy nandany fotoana firy tamin'ny famoahana ny boky roa sosona ho an'ny “Manana bibibe ho an'ny vady aho!” , izay samy azo vidiana ao amin'ny Amazon [18] avokoa.