- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Drug Drugu, Fanatanterahana Nofinofy amin'ny Alalan'ny Tambajotra Sosialy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2012)

Tolotra iray miodina amin'ny fanirian'ireo mpampiasa azy ny Drug Drugu [1] (rohy maty) [ru] (“Ho ahy sy Ianao”). Tsy afaka mangataka fanampiana fotsiny ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina fa mila manome ny fanampiany ihany koa. Tsotra dia tsotra ny rafitra fiodinan'ilay loharano: mamela hafatra anatin'ny sokajy mifanaraka amin'izany ny mpampiasa, miaraka amin'ny toerana sy sary, ary miandry mpikambana iray hafa ao amin'ny vondrona hamaly azy.

Mifantoka aminà bokotra roa ny hetsik'ireo mpampiasa: “Maniry” sy “Afaka.” Manomboka amin'ireo teny ireo daholo ny hafatra hitan'ny besinimaro. Afaka maneho ny faniriany sy ny fanampiany avokoa ny rehetra amin'ny fampiasàna io rafitra io. Ohatra, manoratra i Alexandra Tryapitsyna:

Я хочу научиться петь джаз, очень-очень. Чувство ритма — есть. Голос и слух — не знаю. Слух вроде есть, но себя я не слышу, когда пытаюсь что-то повторить. Кажется, что не попадаю. А всё от того, что голосом управлять не умею. Ну, я так думаю. Помогите!!!

Maniry ny hianatra hihira jazz aho, maniry mafy. Haiko ny manaraka ny gadona, saingy tsy haiko raha hananako ny sofina sy ny feo. Manana sofina ihany aho, saingy tsy maheno ny tenako rehefa miezaka mamerin-javatra. Toa mamalan-kira aho satria tsy haiko ny mifehy ny feoko. Izany aloha no eritreritro. Ampio aho!!!
[1]

Home page of the site

Kaonty Facebook na Vkontakte [2] ihany no ilaina raha hiditra mpikambana ao amin'ilay vondrompiarahamonina. Ao amin'ny pejy ahitàna ny mombamomba ireo mpampiasa, voaangona ny antontanisan'ireo fangatahana sy tolotra (toy ny hoe: inona no vitany, inona no nangatahany, iza no nisaorany, iza no nisaotra azy, sns). Avoaka ao amin'ny Facebook na Vkontakte ny hetsiky ny mpampiasa ny Drug Drugu, raha safidiny.

Ny Saotra sy ny frubles (teny noforonina ahitàna ny teny hoe “friend”(namana) sy “ruble [3]” (maribola rosiana) irery ihany no azo atao takalo ao amin'ny Drug Drugu. Afaka manome mari-pankasitrahana an'ireo mpikambana hafa ao amin'ny vondrompiarahamonina ireo mpampiasa amin'ny alalan'ny frubles. Ny “vola” voaangona kosa dia azo atakalo ao amin'ny fivarotan'ilay tetikasa ho mari-pankasitrahana azo ividianan-javatra ao amin'ny fivarotana anaty aterineto Rosiana, “Ozon”. Nahaton'ireo mpandrindra ny vohikala mandritra ny fotoana voafetra anefa io tolotra io, satria tsy nalaza teo anivon'ireto mpampiasa.

Navoaka voalohany tao amin'ny Tranohiboky ny Teknolojiam-piarahamonina tamin'ny teny Rosiana [4].