- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Blaoginà Literatiora Tsara Indrindra Tamin'ny 2005

Sokajy: Amerika Latina, Espaina, Meksika, Mediam-bahoaka

Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Janoary 2006

Ireo bilaoginà Literatiora tsara indrindra tamin'ny taona 2005 voasoratra tamin'ny teny espaniola dia ireo mpikambana amin'ny Blogueratura, ny manan-danja indrindra amin'ireo blaogy literatiora amin'ny teny espanola, no nifidy azy. Amboaran-tahiry ahitàna blaogy miisa 769 an'ireo firenena isankarazany ao Amerika latina, ary koa Espana.

Ny nahazo ny loka andiany voalohany dia ny Ánima dispersa, nosoratan'ny mpanoratra Meksikana iray, Alberto Chimal. [1] Io no veloma tsara indrindra ho an'io blaogy io, izay nitsahatra tamin'ny volana Desambra 2005 ny fanavaozana azy. Nisokatra niaraka tamina blaogy vaovao i Chimal tamin'ny 2006, Las historias [2], tena natokana manontolo ho an'ireo tantara fohy.

Ny Enigmatario [3] no faharoa be mpifidy indrindra, izay manoritsoritra ny vaovao mikasika ny fijery somary tsy dia mahazatra loatra.

Ny El Lamento de Portnoy [4] no nahazo ny loka fahatelo. Aza adino ity blaogy Espaniola tsara indrindra ity, izay manasongadina ireo fanehoankevitra lalina sy ireo kiana am-pisainana mikasika an'ireo sarimihitseika sy ireo tantara ankehitriny.