- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: Avy Any Amin'ny Dokambarotranà Tantara Ka hatrany amin'ny Tantaran'ny Blaogera

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Koety, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Fiteny, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2007)

Mamerina antsika amin'ny fotoana mbola naha-nahay namorona sy nanintona ny dokambarotra tao Koety i Q avy ao amin'ny Kuwaitism

Amin'ity indray mitoraka ity, hamoaka dokambarotra ho an'ny Kuwait Airways izay tena tiako be aho, fony vao nanomboka ny làlany nankany Parisy izy ireo tamin'ny 1965.

Kanefa voatosika avy any amin'ireo fotoana tsara mankaty amin'ny ankehitriny isika, izay iatrehan'ny olona toa an'i snookie, izay miezaka ny hanafatra ny namany hitsidika ao Koety, ny ‘fitsarana an-tendrony ifanaovan'ny samy Kolotsaina’.

Nilaza azy zavatra kidaladala izay lazainy fa azony tao amin'ny aterineto ny reniny. Zavatra toy ny hoe, voasambotra noho ny fakàna sary, nalaina an-keriny, voadaroka ary zavatra hafa maro tena kidaladala be. Milaza ny namako foana aho fa tena adala be izany zavatra rehetra izany.

Ampahatsiahivin’ i The Stallion, lehilahy iray mankafy biby (milaza zavatra sahady ilay anarany) antsika fa efa akaiky ny PAWS Andiany Faha-2 an'ny Hetsika Ho An'ny Alika nokarakarain'ny Fikambanana Miaro Ny Biby.

Miaraha aminay ao anatina hetsika maro, izay ahitana; torohevitra mikasika ny fahasalaman'ny biby fiompy ao amin'ny toerana ‘Ask the Vets’; mandraisa anjara amin'ny hetsika alika mampihomehy (ary mahazoa mariboninahitry ny mpandresy izay tena tsiriritina betsaka); mividiana entana ho an'ny biby fiompy; tsidio ny toerana fivarotana korontan-javatra ahafahanao mahita raharaha tsara iray na roa; mihinana sakafo maivana matsiro; Ento mandehandeha ny Mutt-nao mba hoderain'ny tompom-biby hafa, na mtsangantsangàna miaraka amin'ny alikanao eo ambanin'ny aloka maitson'ny zaridainan'ny Masoivoho.

Tsy misy zavatra hafahafaha miseho ka tsy hitan'ny blaogera iray (sa ny blaogera ihany no mahatsikaritra zavatra hafahafa amin'izao fotoana izao?)

Ary nijery zavatra kidaladala be [1] i rado raha toa ka nitsangatsangana teny amin'ny manodidina..

varavarankely teo amin'ny 10 teo no vaky tao amin'ny tilikambo iray an'ny Sharq taorian'ny nisidinan'ilay saina voalohany… Dia ny mpamono afo no manapaka ny làlana sy manamboatra izany

Mandritra izany fotoana izany, manasongadina i Forzaq8 [2] fa miha very ny zony fahazoandàlany tsy azo ialàna ao Koety noho ny tsindry avy any Etazonia.

Manary bebe kokoa ny Zontsika indray ny Governemantantsika Mahafinaritra
Tsy haiko hoe nahoana no Mipingapinga hanao sonia izay rehetra atolotra azy foana ny governemantantsika, tsy azoko antoka fa misy fandinihana lalina tamin'izany
Ankehitriny, Araka ny BBC

Ny fanazavana izany amin'ny ohatra izay tena mampieritreritra indrindra amin'itymizaàna tsiderian'ila ity dia ny tsikeran'ny IIPA momba ny fitakiana tsy azo ialana amin'ny resaka fanomezana lisansa momba ny zon'ny mpamorona.
Mbola miatrika ny fangatahana fanaisorana ireo lisansa tsy azo ialàna amin'ny resaka fanontàna sy fampielezampeo avokoa ireo firenena manerana izao tontolo izao, indrindra ireo any amin'ny tontolo an-dalampivoarana ( ao anatin'izany i Koety).

Amin'ny raharaha iray mifandray amin'ny blaogy, nohadihadian'ny Kuwait TV (fahitalavitra iray ambany fitantanan'ny fanjakana ) ny blaogera Koetiana roa. Iray tamin'izy ireo i Nibaq, izay manana izao ho lazaina mikasika ilay tafatafa:

Afaka fintinina ho toy ny fampidirana ho an'ny Kuwait Blogging sy ny tontolon'ny  fitoraham-blaogy amin'ny ankapobeny ilay tafatafa. Matetika isika no nametrahana fanontaniana tsirairay mikasika ny blaogy, ny fomba nanombohana, ny zavatra nosoratana, ary avy eo amin'ny endrika politika/sosialy ananany ao Koety ary manerana izao tontolo izao.