- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Endrika vaovao ao amin'ny tondro bridgeblog

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2015)

Vao haingana aho no nampahafantarina ny hevitra  “mpamboly wiki “ [1], ireo olona izay mikarakara ny wikis, manafoana ny spam, manamboatra ny endrika sy ny fitsipi-pitenenana, ary amin'ny ankapobeny manadio ny toerana. Vao avy nandany ora vitsy tao amin'ny fanondroana BridgeBlog [2] aho, ary taitra tamin'ny hatsaran'ny fanoharana ny toetoetry ny fambolena. “Namboly” ny hevitra momba ny tondro BridgeBlog izahay volana vitsivitsy lasa izay, ary isaky ny andro vitsivitsy dia misy olona vaovao mitsidika sy manampy bilaogy avy amin'ny faritra hafa eran'izao tontolo izao.

Ny lisitra sasantsasany amin'ireo bilaogy izay “naniry” vao haingana:

Na dia miha tsara aza ny wiki, dia afaka mampiasa ny fanampianao izy. Raha mahafantatra momba ny andiana bridgebloggers na aiza na aiza manerana izao tontolo izao ianao, dia makà fotoana vetivety mba hidiranao manokana ao amin'ny wiki [2] na andefaso mailaka ho ahy izy ireo, raha manohitra ny wiki ianao (ethanz AT gmail DOT com). Na andefaso ao amin'ny fanehoan-kevitra amin'ity lahatsoratra ity izy ireo.