12 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 12 Oktobra 2018

Fomba fijery avy ao Riyadh – Jeans Saodiana

Tantanin'i Ahmed, mpianatra ho farmasiana ao Riyadh, Arabia Saodita, ny "Saudi Jeans",bilaogy rohy izay mitovitovy kely amin'ny Scripting News, raha mba nonina tany Afovoany Atsinanana i Dave Winer ary mamaky gazety Arabo am-polony isa-maraina.

12 Oktobra 2018

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'ny herinandro, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

12 Oktobra 2018