(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008)
Tsaraina [1] ao Frantsa amin'ity volana Oktobra 2008 ity ilay raharahana fivarotana fitaovam-piadiana manala-baraka tamin'i Angola [2] [amin'ny teny anglisy]. Mahavoarohirohy olona ambony ao Frantsa sy Angoley lazaina ho manana fahefana izany, atomboka amin'ny Filoha José Eduardo dos Santos [3]. Nanao izay ezaka farany vitany anefa [4] i Angola mba hisorohana ity fitsarana ity [4] [amin'ny teny anglisy], tamin'ny fiantsoana ny fanajàna ny ”lalàna amin'ny tsiambaratelo” -n'ny firenena vahiny.
Tantara politika ratsy nanomboka tamin'ny 1992 ity raharaha ity, matetika antsoina hoe ”Angolagate”, na raharaha Mitterrand-Pasqua, rehefa tonga saina tamin'ny fahambaniany ara-tafika manoloana ny UNITA [5] an'i Jonas Savimbi [6], izay tamin'izany fotoana izany dia nifehy ny 80% tamin'ny tany angoley i José Eduardo dos Santos. Mba hiatrehana izany toe-javatra izany, nanapa-kevitra ny ffiloha angoley ny hiala ireo sazin'ny ONU mandrara ny fivarotana fitaovam-piadiana ao Angola sy hividy fiara mifono vy miisa 400, balan-tafondro 150 000, vanja milevina miisa 100 000, helikoptera am-polony, sambo vitsivitsy fitondra miady ary fitaovam-piadiana maro hafa avy tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha.
Notanterahin'ny vondronorinasa iray, miorina ao Parisy izay antoina hoe Brenco International ny fivarotana ireo fitaovam-piadiana ireo, mitentina 790 tapitrisa dolara. Ny mpitantana azy, i Pierre Falcone [7], sy ilay israeliana mpanao politika Arkadi Gaydamak [8], izay ankehitriny dia eo amin'ny dabilion'ny voampanga, no mpilalao fototra tamin'ity varotra ity. Ny fitambarany 40 hafa voampanga, izay frantsay tomponandraikitra ara-politika [9] malaza ny sasany [amin'ny teny anglisy] no tsaraina ary mety hahazo hatramin'ny 10 taona fidirana am-ponja.
Nanomboka tamin'ny Alatsinainy 6 oktobra 2008 ilay fitsarana ary tokony haharitra hatramin'ny 4 martsa 2009 ireo adihevitra. Tamin'ny fiandohan'ity fitsarana ity, tena vitsy ireo fanehoankevitra tao amin'ny tontolon'ny blaogy angoley, sy tany amin'ny fampahalalam-baovao.
Iray tamin'ireo blaogera vitsy an'isa sahy nanainga ilay lohahevitra, gaga i Robert Ivens, tao amin'ny blaogy Nos Cus de Judas [10] [amin'ny teny portiogey] fa tsy nisy angoley voampanga tao anatin'ity fitsarana ity :
Não haver neste processo um único arguido angolano não deixa de ser curioso. Que todo o material de guerra, tanques, navios, helicópteros, obuzes, minas, tivesse entrado em Angola sem que ninguém o houvesse solicitado faz pensar que, afinal, poderá ter havido uma..invasão estrangeira?!
Niampanga an'i Jean-Christophe Mitterrand ihany koa ny fitsarana frantsay, izay zanaky ny Filohan'ny Repobika frantsay tamin'izany fotoana izany, efa maty, ny manam-pahaizana ho an'ny faritra atsimon'i Afrika avy tao amin'ny Antoko sosialista frantsay i Jean-Bernard Curial, sy i Charles Pasqua [11], Minisitry ny Atitany frantsay taloha, ankoatra ireo hafa. Miverina amin'ity raharaha ity ihany koa ny blaogy Moçambique para Todos [12] [amin'ny teny portiogey] miaraka amin'ny lahatsoratr'ilay Angoley Eugénio Costa Almeida :
Pois então não é que a justiça francesa, sem tomar em linha de conta os superiores interesses da República Francesa, decidiu iniciar o julgamento deste processo, com acusações que vão desde tráfico de armas, abuso de confiança, fraude fiscal e tráfico de influências. Tudo por causa de uns míseros 420 carros de combate, 150 mil obuses, 170 minas anti-pessoais, 12 helicópetros e 6 navios de guerra, eventualmente comprados por Angola e para os quais uns quantos auferiram umas míseras dezenas de milhares de dólares em “luvas”. Gingubas ou peanuts, como diriam os nossos amigos norte-americanos, eventualmente depositadas em contas obscuras em empresas, cidades francesas, suíças ou israelitas, antes de seguir para as de companhias e empresas financeiras sedeads em paraísos fiscais onde o dinheiro “adormece” por uns tempos antes de voltar a circular…é que parar é morrer, e há tantas quintas e palácios na Europa para serem comprados.
Toy ny efa nampoizina, lavin'i Angolà fiamoangàna azy ho nandika lalàna rehetra sy ny fiampangana azy ho nanao varo-maizina ana fitaovam-piadiana ary fandosirana hetra, amin'ny fanamarinana fa ara-dalàna, tsy avy any frantsa ary tsy nandalo tao Frantsa ilay fitaovan'ny tafika. Rahnan'ny governemanta angoley hotafihana ireo tombontsoa ara-tsolik'i Frantsa ao Angola.
Tonga amin'ny fotoana ratsy ity fitsarana ity, raha toa ka niezaka ny hifanakaiky tamin'i Angola i Frantsa hatramin'ny fiandohan'ny taona, mampiseho izany ny fitsidihan'i Nicolas Sarkozy an'i Angola tamin'ny 23 Mey 2008.