11 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 11 Oktobra 2018

Bangladesh: Aorian'ny Fifidianana, Tsy Maintsy Tanterahana Ireo Fampanantenana

Taorian'ireo sorona sy ady marobe, ny 29 desambra 2008, nanana fotoana naha-mety azy ireo olom-pirenena tao Bangladesh, tsy nisy tahotra na olana, nampihatra ny zony handatsa-bato sy hifidy an'ireo kandidà araka ny safidiny... Araka ireo fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe, sahala amin'ireo olom-pirenena amin'ny ankapobeny, heverina ho nalalaka sy tsy nitanila ireo fifidianana ireo.

11 Oktobra 2018

Shina: Inona No Niafaràn'ireo Niharamboina Vokatry Ny Horohorontany Tao Sichuan?

Iharan'ny ririnina mamirifiry ankehitriny ireo niharam-boina vokatry ny horohorontany tamin'ny 12 may 2008 tao Sichuan. Manam-pahefana iray eo an-toerana no milaza fa mety hahatratra -21°C ny maripàna farany ambany ao amin'ilay faritra tratry ny horohorontany. Ankehitriny , ny fanampiana an'ireo traboina hamakivaky ny ririnina henjana no mijanona ho asa iray maika sady sarotra.

11 Oktobra 2018

Bolgaria: Miaro ny fahalalahana maneho hevitra an-tambajotra sy ny fiarovana ny tontolo iainana (ampahany voalohany)

Niteraka fanehoan-kevitra mavitrika teo amin'ny tontolon'ny blaogy bolgara ary koa hetsika tena mavitrika amin'ny fiarovana ny tontolo iainan'ny firenena ny fanapaha-kevitry ny fitsarana raharaham-pitantanana ao Borlgaria (VAS) tamin'ny 29 jona 2007 ny hanala ny sokajy maha faritra voaaro ny valan-javaboahary nasionaly Strandzha.

11 Oktobra 2018

Shina: Nobel Nofinofy

Tamin'ity volana ity, dia tototra vaovao momba an'i Charles Kao, nandrobaka ny loka Nobel momba ny Fizika ny gazety Shinoa sy ny sehatra fiadian-kevitra antserasera. Saingy mpahay siansa Shinoa hafa any ampitan-dranomasina no nahazo ity loka malaza ity, nivadika ho fanontaniana lalindalina kokoa ity fotoana vetivety nizarana voninahitra ity: Rahoviana i Shina no hanana mpandresy loka Nobel voalohany indizeny?

11 Oktobra 2018

Manambara ny fiarahantsika amin'ny Reuters

Faly izahay manambara ny fifamatorana misy eo amin'ny Global Voices sy ny orinasam-pampitam-baovao iraisam-pirenena, Reuters. Nanohana ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona lasa teo ny Reuters, raha nampiantrano ny fihaonantsika isan-taona tao amin'ny foiben-toerany maneran-tany ao Canary Wharf any Londra.

11 Oktobra 2018