- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niala tsiny ny filoha Serba noho ny fanononana fahatany ny vaovaon'ny The Onion, seha-baovao mpanesoeso

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Serbia, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna

Pikantsarin'ny filohan'i Serbia Aleksandar Vučić niala tsiny ampahibemaso tamin'ny fampiasana vaovao avy amin'ny The Onion, avy amin'ny N1 TV.

Niala tsiny ampahibemaso tamin'ny vahoaka tamin'ny zoma 14 septambra 2018 ny filohan'i Serbia Aleksandar Vučić, noho ny filazana fa misy  maty isaky ny folo segondra ireo mpanadio varavarankely any Etazonia, izay anisan'ny fanamarihany mikasika ny fahafatesan'ireo mpiasa roa tao amin'ny toeram-panorenana Belgrade Waterfront.

Avy hatrany dia notsikerain'ireo mpisera media sosialy Serba ny fanambarana, ka niteraka tabataba manohitra ny filoha:

Milaza i Vučić fa any Amerika, misy maty isaky ny FOLO SEGONDRA ny mpanadio varavarankely.
Votoaty izay navoakan'ny vavahadin-tserasera mpanesoeso THE ONION izany, izay mitovy amin'ny [vavahadin-tserasera Serba mpanaraby] NJUZ.
Namboamboarina mazava ho azy ilay lahatsoratra.
Raha marina izany, dia midika izany fa mpanadio varavarankely maherin'ny 8500 no maty isan'andro.

Ny ampitson'io, 15 septambra 2018, nanaisotra ny fanambaràny diso [4] i Vučić, nanazava fa tsy nieritreritra tsara ny fanambarany izy noho ny havizanana:

‘Želim da se izvinim građanima, ja sam sinoć na konferenciji za novinare govorio o nesrećama u građevisnkom sektoru koji se dešavaju svetu i rekao kako na svakih deset sekundi ginu perači prozora u Americi, a to je podatak uzet sa nekog šaljivog sajta. Nisu krivi moji savetnici, da sam malo razmislio i da nisam bio umoran shvatio bih odmah’, rekao je Vučić i dodao da je normalno grešiti.

‘Te-hiala tsiny amin'ny olom-pirenena rehetra aho, omaly tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, dia niresaka momba ny loza mitranga manerana izao tontolo izao eo amin'ny sehatry ny fanorenana aho ary nilaza fa isaky ny folo segondra dia misy mpanadio varavarankely maty any Amerika, izay vaovao nalaina tamin'ny tranonkala mpanaraby . Tsy manome tsiny ireo mpanolo-tsaina ahy aho, raha nieritreritra aho ary raha tsy reraka, dia ho tsapako fa hafahafa izany, hoy i Vučić, ary nilaza koa fa mahazatra ny manao fahadisoana.
‘I want to apologise to all citizens, yesterday at a press conference I spoke about accidents that happen across the world within the construction sector and I said that every ten seconds a window washer in America dies, which is an information taken from some satirical website. I don't blame my advisers, if I had thought that through and if I wasn't tired I would realize it's odd,’ Vučić said, adding that it's normal to make mistakes.

Ny lahatsoratra nampiasaina ho loharanom-baovaon'ny fanambaran'i Vučić dia navoakan'i The Onion, seha-baovao mpanesoeso ao Etazonia, tamin'ny volana Martsa 2011 mitondra ny lohateny hoe “Fikarohana: Isaky ny 10 Segondra, mianjera maty ny mpanadio fitaratra iray avy eny amin'ny tranobe avo [5]“:

A study released Monday by the Department of Labor found that every 10 seconds, on average, a window washer somewhere in the United States accidentally plummets to his or her death.

Nahita ny fikarohana iray navoakan'ny Departemantan'ny Mpiasa tamin'ny Alatsinainy fa isaky ny 10 segondra, maty tampoka noho ny fianjerana ny mpanadio fitaratra iray.

Lahatsary iray navoakan'ny sampana ara-paritry ny CNN, N1 TV  [6]mampiseho an'i Vučić mitsiky sy milaza hoe:

“To što sam ja ispao glup i što je to bila glupost šta da radim, bez loše namere je bilo”.

‘Tsy afaka manova ny zava-nisy nahatonga ahy ho kentrina aho ary fahadalana tanteraka izany, saingy tsy nisy fikasana ratsy tamin'iny.’

Nampita ny fialan-tsiny tamin'ny vaovao [7] namaritra azy ho “lehilahy mahafinaritra” ny media manohana ny fitondran'i Vučić, tamin'ny fampiasana ny teny hoe “šmeker”. [8] Nanararaotra izany vaovao izany ny ekipan'i Vučić mba hanampiana fa hisahana ny fitsaboana ny homamiadan’ [9]ilay ankizy efa-taona, Dušan Todorović ny fanjakana.

Natolotry ny olom-pirenena tao anatin'ny hazakazaka mba hanavotana ny ainy [10] ny vola 191.000 euros izay ahafahana mandefa an'i Dušan Todorović ho any amin'ny tobim-pahasalamana ao Barcelona amin'ny Asabotsy. Tafavory tamin'ny alalan'ny fikambanana “Tohano ny Aina” (Podrži život) ny vola 121.000 euros, raha malala-tanana tsy mitonona anarana kosa no nandoa ny vola sisa 70.000 euros mivantana tany amin'ilay toeram-pitsaboana Espaniola alohan'ny diany.

Nitsikera ny fihetsik'i Vučić ny mpiserasera, nanameloka azy noho ny fanararaotana ny fahadisoana mba hahazoany fanohanana ara-politika, ary nanome tsiny ny fampahalalam-baovao ho mpampiely ny fanentanany:

Maty ny mpiasa roa – manambara ny hadalan'ny taonjato izy ary lazain'izy ireo fa šmeker (lehilahy mahafinaritra).
Nivarotra an'i Kosovo izy – nambaran'izy ireo fa tia tanindrazana.
Nahangom-bola manokana handoavana ny fitsaboana an'i Dušan ny olom-pirenen'i Serbia, tsy nanao na inona na inona izy raha tsy tapitra izany – milaza izy ireo fa izy no olona tsara fanahy sy mpanao asa soa indrindra.
Ary mangina isika?
Eny ary. Mendrika ny sokirina isika.

Ny alatsinainy 17 septambra, naneho hevitra tamin'ny tantarany manokana manaraby, mitondra ny lohateny hoe: Nampanantena ny filoha fa amin'ny hoavy dia hitandrina kokoa izy amin'ny alàlan'ny fanafenana ny fahafatesan'ireo mpiasa [12]” ny tranonkala mpanaraby malaza ao Serbia NJUZ NET (“njuz” dia fandikan-teny Serba hoe “vaovao”).

“Nampanantena ny filoha fa amin'ny hoavy, dia hitandrina kokoa izy amin'ny alàlan'ny fanafenana ny fahafatesan'ireo mpiasa”

Araka ny filazan'ny Meta.mk [15], sampam-baovao iray, dia mbola tsy navoaka ampahibemaso ny valin'ny fanadihadiana momba ny fahafatesan'ireo mpiasa roa. Hatramin'ny niandohan'ny taona 2018, mpiasa 28 no namoy ny ainy am-perinasa tao Serbia.

Ny Belgrade Waterfront [16] dia tetikasa iray mampiady hevitra momba ny fanavaozana ny tanandehibe izay matetika asehon'ny governemanta Vučić ho toy ny fahombiazana goavana hisarihana vahiny mpampiasa vola. Hatramin'ny nanombohany tamin'ny taona 2014, nitarika adihevitra hatrany, tantara manafintohina sy ny fanafenana [17] izany.

Niatrika teritery ara-politika  [18]ny media amin'ny fitaterana momba ny heloka bevava nomanina mifandraika amin'ny fandravana tsy ara-dalàna [19] ireo tranobe efa misy ao amin'ny faritra voatondron'ny tetikasa. Nahatonga hetsi-panoheran'ny olom-pirenena fantatra amin'ny anarana hoe “We won't let Belgrade D(r)own (Tsy Avelanay Hirodana i Belgrade, [20]” izany, miampanga ny tetikasa ho famotsiam-bola sy kolikoly.