22 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 22 Septambra 2018

Bilaogera Miteny Anglisy, Na Miteny Tenimpirenena Roa, Na Miresaka Politika Ao Anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana

Noho ireo antony tena lazaina ho noho ny fotokevitra ara-politika Ujamaa taorian'ny nahazoan'i Tanzania ny fahaleovantena, izay nanisy tsindrim-peo mafy mikasika ny maripamantarana ny firenena amin'ny fampiasana be loatra ny Kiswahili, ilay fiteny tena fampiasa be ao anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana. Misy ireo blaogera tanzaniana vaovao vao mipoitra, mampiasa ny teny Anglisy na ny Anglisy sy ny Kiswahili miaraka.

22 Septambra 2018

Ny Sehatra Fanaovana Blaogy Nizeriana

Raha toa izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ireo blaogy, ireo blaogy Nizeriana kosa niova endrika mihitsy saingy ampilaminana. Tamin'ny fotoana nandrafetana an'ity lahatsoratra ity, tsy dia maro ny nizeriana (avy ao an-toerana) nonanoratra bilaogy, indrindra fa rehefa jerena ny mikasika ny isan'ireo olona mampiasa Aterineto tao amin'ny firenena.

22 Septambra 2018

Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana

Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe "Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny "sosialista" dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve izany?

22 Septambra 2018

Niala tsiny ny filoha Serba noho ny fanononana fahatany ny vaovaon'ny The Onion, seha-baovao mpanesoeso

Niala tsiny ampahibemaso tamin'ny vahoaka tamin'ny zoma 14 septambra 2018 ny filohan'i Serbia Aleksandar Vučić, noho ny filazana fa misy maty isaky ny folo segondra ireo mpanadio varavaran-kely any Etazonia, izay anisan'ny fanamarihany mikasika ny fahafatesan'ireo mpiasa roa tao amin'ny toeram-panorenana Belgrade Waterfront.

22 Septambra 2018