- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fanehoana an-tsarintany ny bilaogy (teny espaniola)

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 16 Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
hispano blog map [1]

Ny eGrupos [2], tranonkalan-tambajotra sosialy iray ao Sunnyvale, California, no namolavola ny El BlogoMapa Hispano [1], tranonkala ahitana ny lisitry ny bilaogy amin'ny teny Espaniola, ary mampiseho ny toerana misy ny bilaogera amin'ny alàlan'ny fampiasana ny Google Maps API. Azo atao ny mampiditra [3]ao amin'ny sarintany ny tranonkalam-bilaogy amin'ny teny Espaniôla ho an'ireo manana bilaogy. Misy ihany koa ny plugin [4] ho an'ny Google Earth [5]. .

Nampientanentana ity ezaka iray hafa natao momba ny fanoroana an-tsarintany ireo bilaogera ity. Nanao bilaogy an-tsarintany mifantoka amin'i Meksika [6] ihany koa i Gustavo Diaz Salazar [7] avy any Tampico, Tamaulipas, Meksika. Ny GeoURL [8] angamba no tena angondrakitra malaza sy lehibe indrindra amin'ny fanondroana ny toerana misy ny bilaogera ary manolotra ny famahanana RSS ho an'ny bilaogy vaovao any amin'ny faritra manokana [9]. Mikel Maron, izay nanangana solo-na Google Maps maimaim-poana amin'ny fananganana sarintanim-bilaogy [10], no namolavola ny The World as a Blog [11] izay manambatra amin'ny fotoana iray ireo famahanana mifototra amin'ny toerana samihafa. Ny Blogwise ihany koa dia miezaka ny manangona ny angondrakitra ara-joegrafika mba hanehoana an-tsarintany [12] ireo bilaogera ary miasa mafy amin'ny feedmap [13], izay mandrindra ireo bilaogy mampiasa paingotra [14] sy manolotra ny rohin'ny bilaogy eo an-toerana arakaraky ny toerana . [15]i Chandu Thota. [16]

Ireo no fitaovana goavana hijerena sy ahitana ny firenena sy kolontsaina hafa eo am-pototry ny solosainao.