- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nalahelo i Brezila satria lasa lavenona ny harena tranainy indrindra tao amin'ny Mozeam-pirenena

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Mediam-bahoaka, Voina, Zavakanto & Kolontsaina

Niezaka namono afo tao amin'ny Mozeam-pirenena nandritra ny ora maro ireo mpamono afo. Ny tsy fisian'ny rano no olana Sary: Pikantsary avy amin'ny Facebook [1]-n'i Felipe Milanez.

Vaky fo ny Breziliana taorian'ny nahamaizan'ny Mozeam-Pirenena [2], ny tranainy indrindra ao amin'ny firenena ary azo antoka fa mpiambina ny tantara voajanahary sy ny angona haiolona (antropolojia) lehibe indrindra ao Amerika Latina tamin'ny alahady 3 septambra, tao anaty afo izay niredareda nandritra ny alina.

Naorin'ny mpanjakan'i Portiogaly, D. João VI tamin'izany fotoana izany tao Rio de Janeiro tamin'ny taona 1818 ny mozea nasionaly. Napetraka tao amin'ny lapa iray manodidina izany vanim-potoana izany izy. Toeram-ponenan'ny fianakavian'ny mpanjaka Portogey sy Breziliana hatramin'ny taona 1889 ilay toerana. Tao ihany koa no toerana nanaovana ny Fivoriambe voalohan'ny Antenimieram-panorenana voalohany tao Brezila.

Nandritra ny 200 taona teo amin'ny tantarany – nankalaza ny tsingerin-taonany vao tamin'ny volana Jona tamin'ity taona ity ny mozea – nanangona zavatra teo amin'ny 20 tapitrisa  [3]teo izy. Na dia mbola tsy navoaka aza ny lisitra feno misy ireo zavatra main'ny afo, voamarina fa very avokoa ireo harena fahiny toy ny sisan-taolon'olombelona fahiny indrindra hita tany Amerika, zavatra fahiny avy tany Ejipta ary ny taratasy voalohany [ôrizinaly] nanafoana ny fanandevozana tany Brezila tamin'ny taona 1888.

Nanao vivery ny ainy tamin'ny alàlan'ny fidirana tao amin'ny trano mirehitra ireo olona sasany, anisan'izany ny mpiasan'ny tranom-bakoka sy ny mpahay siansa mba hanavotra [4] zavatra sasany.

Na dia nihen-danja isan-taona aza ny isan'ny mpitsidika – betsaka kokoa ny Breziliana nitsidika ny Louvre [5] tamin'ny taona 2017 noho ny Mozea Nasionaly  – betsaka ny fanehoan-kevitra an-tserasera taorian'ny vaovaon'ny fahamaizana.

Mpanao gazety sady profesora Felipe Milanez nandefa mivantana  [6]ny tranom-bakoka mirehitra afo:

Mpisera Twitter iray nandefa sioka lavalava [7], ahitana sarin'izay mety very tao anatin'ny afo:

Zavatry ny Sha-Amun-in-su. Ejypta, Vanim-potoana mangatsiaka, c. 750 BC

Carajás Indiana. Saribakoly tanimanga (sary vongana), tsy misy daty. Ricbactas Indiana. Satro-boninahitra Radial, tsy misy daty.

Olona Yoruba. Saron-tavan'ny fiarahamonina vehivavy miafina Gelede, tsy misy daty. Ary mbola misy ny trano tenany

Manome tazana lavitra misy ny mozea talohan'ny nahamaizany ny lahatsary nalefan'ny pejy Facebook Realidade Simulada

Ny vokatry ny tsy fikolokoloana

Taorian'ny loza, tadidin'ny olona ny fomba tsy niraharahian'ny manampahefana ny Tranombakoka Nasionaly nandritra ny taona maro. Tantanin'ny oniversitem-panjakana Federaly ao Rio de Janeiro (UFRJ) izay zara raha mahazo famatsiam-bola hatrany ny mozea.

Luísa Nunes, mpianatry ny oniversite, nampahatsiahy tao amin'ny Twitter fa ity no fahamaizana lehibe indrindra faha-enina tao amin'ny tranoben'ny UFRJ hatramin'ny taona 2011.

2011, Lapan'i Praia Vermelha.
2012, Sampana Taratasy
2014, Laboratoaran'ny Foiben'ny siansa ara-pahasalamana
2016, Birao
2017, Tranon'ny mpianatra
2018, Mozea Nasionaly

Tranobe eo ambany fiahian'ny UFRJ izay efa nizaka fahamaizana marobe nandritra ny folo taona farany ireo.

Nandalo krizy ara-bola tsy mbola nisy toy izany ihany koa ny fanjakana ao Rio de Janeiro: nisy hatrany ny fampihenana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, anisan'izany ireo mpamono afo. Maina ireo fantso-ndrano roa ao akaikin'ny tranom-bakoka, ka voatery maka rano eo amin'ny farihy eo akaiky ireo mpamono afo, very 40 minitra amin'ny asa [15].

Niharan'ny fampihenana nandritra ny efa-taona lasa ny tetibola isan-taonan'y tranom-bakoka, manodidina ny 500.000 reais isan-taona (125.000 dolara amerikana), hoy ny gazety eo an-toerana Folha de S.Paulo [16] nanambara tamin'ny tantara iray tamin'ny May 2018. Mpisera Twitter DanPimpao, namoaka kisarisary mampiseho ireo vatsy betsaka nesorina tamin'ny tranombakoka hatramin'ny taona 2013:

Tetibolan'ny Mozea Nasionaly hatramin'ny taona 2013 ka hatramin'ny taona 2018. Ataovy ny fandalinana ary manaova tsoa-kevitra.

Mozea kilan'ny afo. Sary avy amin'i Felipe Milanez, nahazoana alalana.

Tamin'ny tsingerintaonany faha-200, nanatontosa hetsika fanangonam-bola [19] ny fitantanana mba hanokafana indray efitra lehibe ho an'ny angona harena, izay misy ny karandohan'i Maxakalisaurus, dinaozoro lehibe indrindra nangonina tao Brezila. 58000 reais no voaangona raha 30000 reais no tanjona tany am-boalohany – na dia ny hahatratra100000 aza no tena tanjona.

Profesora Stevens Rehen naneho hevitra [20] tao amin'ny Facebook:

Na festa dos 200 anos, nenhum ministro de estado compareceu. O orçamento despencou de R$ 531 mil em 2013, para R$ 54 mil em 2018.

Esse ano todo o investimento do governo no Museu Nacional foi o equivalente a 1/4 do que cada deputado de Brasília recebe por mês somente para contratar assessores.

Tamin'ny fety faha-200 taona, tsy nisy minisi-panjakana nanatrika. Nidina avy amin'ny R $ 531.000 tamin'ny taona 2013 nankany amin'ny R $ 54.000 tamin'ny taona 2018 ny tetibola.

Tamin'ity taona ity, ny fitambaran'ny fampiasam-bolan'ny governemanta tao amin'ny Mozea Nasionaly dia mitovy amin'ny ampaha-efatry ny tetibolan'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Kongresy mba hanakaramana mpanolo-tsaina

Mpisera Twitter iray nampitaha ny fitambaram-bola tamin'ny fandaniana hafa ataon'ny governemanta:

Ny tetibola isan-taona ho an'ny Mozea Nasionaly dia mitovy amin'ny:
– 30 minitran'ny fanentanam-pifidianana
– 0,0004% amin'ny lany tamin'ny fanavaozana ny kianjan'i Maracanã
– Ny lany amin'ny mpitsara federaly 1 isan-taona
– ny vidin'ny fanovana karipetra tao amin'ny Senà 3 taona lasa izay.
– ny vidin'ny kavina toromalinina amin'ny angona firavak'i Sergio Cabral [governoran'i Rio de Janeiro teo aloha, ary any am-ponja ankehitriny noho ny fiampangana azy tamin'ny kolikoly]

Tokony hahazo fanampiana fanampiny avy amin'ny Bankim-pirenena ho Fampandrosoana ny toerakerana sy ny sosialy ny mozea mba hametraka drafitra fiarovana amin'ny afo. Tokony natao [22] tamin'ny volana Oktobra ny fametrahana izany voalohany.

Mpanao gazety Breiller Pires namintina ny fihetseham-po teo amin'ireo Breziliana mijery ny tranobe may sy tsy dia nisy zavatra firy natao:

Ny fahamaizan'ny Mozea Nasionaly no fanoharana amin'ny firenena iray maniratsira ny siansa, ny fahalalana ary indrindra indrindra ny tantara.