- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta: Sawiris sy Minnie Mouse mitafy niqabi 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fivavahana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihina fa tamin'ny 28 Jona 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ampahany amin'ny fitantaranay manokana ny Revolisiona tao Egypta 2011 [1] ity lahatsoratra ity.

Ilay Egyptiana mpandraharaha kristiana mpanakarembe, sady mpanao politika vao haingana, Naguib Sawiris [2] no namoaka sariitatra [3] tao amin'ny kaonty Twitter-ny nampiseho an'i Mickey Mouse niaraka tamin'ny volombava sy Minnie Mouse mitafy Niqab, ary naneho hevitra momba izany toy ny hoe: “Micky sy Minnie rehefa any aoriana…”

[4]

Naharay fanehoan-kevitra maro izy taty aoriana avy amin'ireo olona izay tsy nanaiky ny zavatra hitany ho toy ny fanesoana ny fivavahana Islamika.

@shaimaahijazi [5]: Naguib Sawiris, you don't deserve that I waste my precious holy time to reply for your non-sense!

@shaimaahijazi : Naguib Sawiris, tsy mendrika anao akory ny handaniako ny fotoanako sarobidy hamaliana ny hadalanao!

Nanampy ny mpisera hafa fa ankoatra ny maha manafintohina izany dia tsy fihetsika mahafinaritra avy amin'ny mpanao politika izany satria ho very ny fanajana sy ny fanohanan'ny vahoaka izy.

@alan_1254 [4]: This isn't smart, and quiet offending. I don't like that. You're losing a lot of people's respect

@alan_1254 : Tsy mahafinaritra izany, sady manafintohina. Tsy tiako izany. Very ny fanajan'ny olona maro anao

@ircpresident [6]: بالذمة ده سلوك واحد سياسي
@ircpresident [6]: Is this a politician attitude!?

@ircpresident : Izany ve mba fihetsiky ny mpanao politika!?

Ny sasany indray dia tsy tena nahalala raha manafintohina izany na tsia.

@Canuckpharaoh [7]: Tweeps are furious about the pic that #Sawiris just shared. What do you think #Egypt, funny or offensive?

@Canuckpharaoh : Tezitra ireo mpandefa sioka momba ny sary izay nozarain'i Sawiris. Ahoana ny hevitrao ry Egypta, mampihomehy ve sa manafintohina izany?

Nahita ny fanehoan-kevitry ny olona ho manao fitsarana miangatra i Lamia Moussa, etsy ankilany.

@LamiaMoussa [8]: Don't you see the hypocrisy? Claiming you're all for freedom & tolerance (and aba7a [profanity]), while you attack MB [Muslim Brotherhood], Salafis & Sawiris?

@LamiaMoussa : Tsy hitanareo ve ny fihatsarambelatsihy? Miantsoantso ianareo fa mitady fahalalahana sy fandeferana (ary aba7a [teny ratsy]), kanefa mamely ny MB [Mpirahalahy Miozolomana], Salafis sy Sawiris ianareo?

Nanampy i Dina sy Abou Eita fa tsy maintsy manavaka isika rehefa misy ny karazana vazivazy toy izany avy amin'ny olon-tsotra, sy avy amin'ny olo-malaza, indrindra rehefa mamazivazy ny finoan'ny hafa izany.

@DinaNasser [9]: You're accusing him cuz he's @NaguibSawiris bs lw kan wa7d tany el2al kda kan 3ady!!El pic di muslims 7atoha aktr mn christians

@DinaNasser [9]: Miampanga azy ianareo satria @NaguibSawiris izy, fa mety tsy ho naninona izany raha olon-kafa. Miozolomana maro no efa nizara io sary io, mihoatra ny Kristiana.

@Abou_Eita [10]: @nadaskandar @NaguibSawiris Dr. Nada. We all saw it before. But coming from Mr. Sawiris himself -a public figure- mas2ala Tania [different issue]

@ Abou_Eita : @nadaskandar @NaguibSawiris Dr. Nada. Nahita izany isika rehetra teo aloha. Saingy avy amin'Atoa Sawiris -izy olo-malaza-mas2ala Tania [lohahevitra hafa]

Nampitaha ny fanehoan-kevitr'ireo Miozolomana momba ity tranga ity [11] sy ny tranga iray momba an'ilay Mpaminany Muhammad nitovy tamin'izany izay niseho efa taonjato maro lasa izay ilay bilaogera Egyptiana Traveller Within.

A non-believer would put trash on Prophet Muhammad's doorstep every morning; the Prophet would just push it aside and go on his way.
One morning, there was no trash to be found; after inquiry, the Prophet was informed that the man was gravely ill..
So he went to visit him and wish him a speedy recovery.
This is how the Salaf – the early Muslims – would behave when they were insulted. Those early Muslims would be ashamed of today's “Salafis”, who claim to be following in the early Muslims’ footsteps

Nisy tsy mpino nanisy fako teo am-baravaran'ny Mpaminany Mohammad isa-maraina; Nahilik'ilay Mpaminany fotsiny izany ary notohizany ny lalany.
Indray maraina, tsy nisy fako hita teo; Rehefa natao ny fanadihadiana dia nolazaina ilay Mpaminany fa marary mafy ilay lehilahy ..
Noho izany dia nandeha nitsidika azy izy ary nitso-drano azy mba ho sitrana haingana.
Izany no fomba fihetsiky ny Salaf – ireo Miozolomana voalohany – rehefa natao tsinontsinona izy ireo. Menatra amin'ny “Salafis” amin'izao fotoana izao ireo Miozolomana voalohany ireo, izay mihambo ho manaraka ny dian'ny Miozolomana voalohany

Noterena tsy maintsy niala-tsiny i Sawiris taoriana kelin'izay, ary nesoriny ilay sariitatra:

@NaguibSawiris [12]: I apologise for any who don't take this as a joke , I just thought it was a funny picture no disrespect meant! Assef!! (Sorry)

@ NaguibSawiris : Miala tsiny amin'ireo izay tsy nandray izany ho sangisangy aho, noheveriko fa sary mampihomehy fotsiny izany fa tsy nikasa ny hanizambazimba izany velively aho! Assef !! (Miala tsiny)

Ampahany amin'ny fitantaranay manokana ny Revolisiona tao Egypta 2011 [1] ity lahatsoratra ity .