Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

07 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 07 Septambra 2018

Palestina: “Matahotra ny “Taaakh” aho ary mangovitra rehefa mahita azy”

Ho fampiroboroboana ny fanadihadiana iray an'ny Al Jazeera mikasika ny fibodoan'ny Israeliana an'i Palestina, milazalaza ny fiainany ny tovovavy Palestiniana iray. Amin'ny teny kely avy aminy, manintona ny fon'ireo olona rehetra mijery ity horonantsary ity izy ...

Raha hiverina ao Shina ny Google, dia hanaraka ny fepetran'ny governemanta. Dia ahoana ny zon'olombelona?

GV Mpisolovava

Mety miomana hanisaka ny fitsipiky ny zon'olombelona ahafahany miditra amin'ny tsena shinoa ny Google. Saingy mbola miankina amin'ny governemanta shinoa hatrany no hananany zo hiditra amin'ny tsena.

Azia Atsimo-Atsinanana : Ny fiakaran’ny vidim-bary

Nisondrotra maneran-tany ny vidim-bary sy ny entana ilaina andavanandro. Miantraika amin’ny olona an-tapitrisany na koa angamba an’arivony tapitrisa mihitsy aza ny fiakaran’ny vidin-tsakafo. Mampisalasala indray ny politika ara-tsakafo. Nametraka fepetra haingana ny governemanta mba hampitoniana ny ahiahin’ireo mpifidy ao aminy.

Egypta: Nifidy ny mpitarika azy ireo vaovao ny Mpirahalahy Miozolomana

Nifidy mpitarika vaovao ny Mpirahalahy Miozolomana any Egypta- nifidy an'Atoa Muhammad Bedei. Ho hitanao ato amin'ity lahatsoratra ity ireo fanehoan-kevitry ny bilaogera Egyptiana tamin'ity fanendrena vaovao ity.

Egypta: Sawiris sy Minnie Mouse mitafy niqabi 

Ilay kristiana politisiana, Naguib Sawiris dia namoaka sariitatra tao amin'ny kaonty Twitter-ny izay nampiseho a'i Mickey Mouse niaraka tamin'ny volombava sy Minnie Mouse mitafy Niqab, ary naneho hevitra momba izany toy ny hoe: "Micky sy Minnie rehefa any aoriana..." Niteraka fitsikerana maro ity sariitatra ity ka voatery noesorin'i Sawiris izany.