- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torkia am-pitendrena milina…

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(lahatsoratra teny anglisy janoary 2006)

Ho fohy noho ny mahazatra ny amin'ity herinandro ity, miaraha amiko azafady….

Turkish Torque mankalaza ny takelaka faha-1000 amin'ity herinandro ity [1], arahabaina! Ugur nandika lahatsoratra tsara dia tsara amin'ny fomba handravan'ny fampitam-baovao sy ny tontolon'ny fialam-boly ny kolontsaina tiorka [2] ary naneho hevitra tamin'ny tsahon'ny fihavaozana miozolomana [3]. Nosoratany ihany koa ny lalaom-panorona politika vaovao ataon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny tiorka [4] sy ny hoe ahoana moa ny fihetseham-po tamin'ny fifidianana ny HAMAS tao Palestine.

Talk Turkey nanoratra momba ny Etazonian'i Eurasia [5] ho avy izay niteraka adihevitra tena mahaliana sy fanehoan-kevitra momba ny mpitsara Kiorda vaovao hisolo mpitsara Kiorda hafa mba hitsara an'i Saddam Hussein. [6]

Lahatsoratra tena mahafinaritra avy amin'ny The Need to Know mangataka an'izao tontolo izao mba hamela irery an'i Iran, mila bonus lehibe izy. [7]

Zen in the Kitchen manoratra momba ny tongolo be sy ny tongolo gasy manampy anao hahatady ny ankavianao amin'ny ankavananao [8].

Mavi Boncuk miverina miaraka amin'ny lahatsoratra momba ny ankizy natsangana ao Ataturk. [9] Ny ranomandry no lohahevitra amin'ny lahatsoratra avy amin'ny Metroblogging:Istanbul [10] ary koa iray avy aminny Field Diary an'i  [11]Erkan [11], izay tsy lahatsoratra tokana ihany, fa roa [12] sy telo. [13]

Amerikan Turk nanoratra koa momba ny tafio-dranomandry lehibe tao Istanbul [14], saingy nitantara zavatra hafa tahaka ny firongatry ny kongona [15], takalon'aina Tiorka ao Iran [16]- tantara tsy tantarain'ny fampahalalam-baovao mahazatra izany, ary ny (ankafiziko manokana tamin'ny herinandro) lahatsoratra momba ny kilalaon-teny malaza tamin'ny fivoriana amin'ny birao [17].

Ny zava-misin'ny herinandro: We Are the TURKS [18], bilaogy vaovao natokana hanadihadiana sy hanoratana momba ireo Tiorka malaza amin'ny fandraharahana sy ny kolontsaina Amerikana.