- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Okraina: Lokaloka amin'i Youshchenko

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Aprily 2007)

Tamin'ny Asabotsy teo, olona an'aliny no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana lehibe tao Kiev: nivory tao amin'ny Kianjan'i Eoropa ireo mpanohana ny Praiminisitra Viktor Yanoukovitch sy ny governemanta fiaraha-mitantanany mba hanohitra ny tetikasan'ny filoha Viktor Youchchenko hanafoana ny parlemanta. Tao Maidan Nezalezhnosti ireo mpanohana an'i Youshchenko sy ny mpiara-dia aminy ankehitriny, eo am-panehoana ny fanohanan'izy ireo an'ity fepetra henjana ity.

Ny ampitso Alahady, nangina tanteraka tao Kiev.

Ny Alatsinainy avy eo, nanafoana ny parlemanta i Youshchenko, miampanga an'i Yanoukovitch ho misando-pahefana. Namaly ny baikon'ny filoha tamin'ny alalan'ny fihantsiana ny fiarahamitantana eo amin'ny fahefana. Nanohy ny asany ny parlemanta ny talata.

Ahoana ny fivoaran'ny toe-draharaha, hotontosaina tokoa ve fifidianana mialoha kasaina ho atao amin'ny 27 May, izany no fanontanian'ny tsirairay ankehitriny. Saingy toa zatra an'izany karazana fisalasalana izany ny Okrainiana. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy mazava, hatramin'ny fotoana farany, raha toa ka hahita marimaritra iraisana ny Filoha sy ny Praiminisitra ary saika tsy gaga ny olona rehefa tsy nahomby izy ireo; saingy, na dia efa nifampiresaka aza izy ireo, dia tsy hahagaga loatra izany.

Mpisera LiveJournal chemikovsun (mpanao gazety Okrainiana, Andrey Chernikov) nanoratra [1] [tamin'ny teny Rosiana] ny risika amin'ny filokàna amin'ny Filoha Okrainiana.

“J’ai des talents de pronostiqueur politique. Mais au bureau des paris, je ne parierai pas sur la dissolution ou la non-dissolution du parlement.Car notre Président est une personne imprévisible. Je n’ai pas réussi à comprendre ce qui motive ses décisions. Et j’aurais perdu mes mises sur tous les paris faits sur lui”.

“Manana talenta amin'ny filokana ara-politika aho. Saingy ao amin'ny biraon'ny loka, tsy miloka amin'ny fanafoanana na ny tsy fanafoanana ny parlemanta aho. Satria tsy mety ampoizina amin'ny ho fihetsiny ny filohantsika. Tsy vitako ny mahatakatra izay nahatonga ny fanapahan-keviny. Ary mety ho very vola aho mametraka loka aminy. “

Tena mampihomehy ny mahita fa tena nisy tokoa ny loka [2] [Rosiana] tao amin'ny Forum ny Ukrainska Pravda, iray amin'ireo tranonkalam-baovao Okrainiana malaza indrindra, izay naorin'i Georgiy Gongadze [3]: ny maha-hentitra an'i Yushchenko no nahatonga ireo mpandray anjara telo tamin'ny forum hahazo vola 50 hryvnias (10 dolara amerikana), ary avo roa heny ho an'ny roa hafa. Very 200 hryvnias (40 dolara amerikana) ny iray tamin'ireo mpiloka izay tsy nino fa handrava ny parlemanta ny filoha,.

Fanontaniana iray manakaiky kokoa ny lalao filokana ny fitsapan-kevitra antserasera [4] [Okrainiana] ao amin'ny forum Ukrainska Pravda. Anontaniana ireo mpamaky raha vonona hanohana ny Filoha hatramin'ny fandresena. Tamin'ireo mpifidy 154 antserasera, 132 namaly eny, 13 tsia ary 9 tsy miraharaha.

VERBICKY: Donc, nous le soutiendrons, mais ils nous laissera tomber quand il annulera sa décision la veille de Paques. […]

Kram: Oui, mais hier encore, je ne m’attendais pas à éprouver cela!

VERBICKY: !izany hoe, hanohana azy izahay, saingy tsy hiraharaha anay izy rehefa hanafoana ny fanapahan-keviny andro mialoha ny Paska. […]

Kram: Eny, saingy omaly indray, tsy nampoiziko hahatsapa izany aho!

[…]

Matroskin: Non. En deux ans de présidence, quand a-t-on vu une seule décision ferme? […]

Matroskin: Tsia. Ao anatin'ny roa taona nitondrana, oviana no nahita fanapahan-kevitra tokana hentitra? […]

Mpisera Live Journal unika_ no iray amin'ireo be fisalasalana amin'ny vinavina hifidy indray ireo mpanao lalàna Okrainiana. Nanamarika izy  [5]fa nampahafantarina ny vahoaka ny baikon'i Youshchenko handrava ny parlemanta fotoana fohy taorian'ny nipoiran'ny volana fenomanana tao an-danitra ny 2 aprily, – ary fantatra amin'ny fanetsehana aretin-tsaina ny volana fenomanana, hoy izy. Am-pahamatorana kokoa, hoy izy hoe:

[…]

Il peuvent faire des élections dix fois, ou plus, mais les résultats resteraient les mêmes :50/50. Les optimistes comme les pessimistes comprennent cela. Quel est l’intérêt alors de dépenser de l’argent, de distraire les gens de leurs travaux des champs , d’interrompre le travail des ministres ? […]

Afaka manao fifidianana folo na mihoatra izy ireo, saingy tsy hisy fiovana ny vokatra: 50/50. Samy mahatakatra izany ny be fanantenana sy ny tsy misy fanantenana. Inona no tombontsoa amin'ny fandaniam-bola, ny fandrebirebena olona amin'ny asa an-tsahan'izy ireo, ny fampiatoana ny asan'ny minisitra? […]

Ity ny hevitry ny olona iray miombon-kevitra amin'ny filoha. Mpisera LiveJournal skylump nanoratra [6] [Rosiana] hoe:

“Hourra! Je suis content. Youshchenko a pris au moins une décision digne. Je continue à apprécier l’histoire de la dissolution du parlement. Parce que les élites doivent apprendre la démocratie. La vieille méthode européenne, la guillotine, – ou la vieille méthode ukrainienne, jeter les hetmans (commandants) sur les piques- ne sont pas à l’ordre du jour. De nos jours, les élites doivent être mélangées comme un jeu de cartes et amenées à la banqueroute par de multiples élections – pour qu’ils comprennent au moins la leçon »

“Kopakopan-tànana! Faly aho. Nandray fanapahan-kevitra iray mendrika farafahakeliny i Yushchenko. Mankasitraka hatrany ny tantaran'ny fanonganana ny parlemanta aho. Satria tsy maintsy mianatra demaokrasia ny sangany. Tsy ao anatin'ny fandaharam-potoana ny fomba lany andro Eoropeana, ny guillotine [fanapahan-doha] – na ny fomba tranainy Okrainiana manipy ny hetmans (komandà) eny amin'ny tady. Amin'izao fotoana izao, tokony mifangaro tahaka ny lalao karatra ireo sangany ary hoentin'ireo fifidianana misesy mankany any amin'ny bankirompitra -,mba hahatakaran'izy ireo farafahakeliny ny lesona “

Veronica Khokhlova [7]