- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tarika Paniagua

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 30 Janoary 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Mila Flash 8 (na ambony kokoa) [1] sy mpitety mamela javascript ianao ahafahanao mijery ny horonantsary.

Zavatra iray ho tsikaritrao avy hatrany raha mitsidika ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra ao La Loma ao Medellín, Kolombia ianao dia saika manana anarana telo na efatra mitovy avokoa ny vondrom-piarahamonina iray manontolo. Ny iray amin'ireo mahazatra indrindra dia ny hoe “Paniagua” –  izay hazavain'ny bilaogera sady mpihira manan-talenta Dneiber Sady [5] ao amin'ny horonantsary etsy ambony ny tantara nahatonga izany .