- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andron'ny Mpifankatia sy ny U2 ao amin'ny bilaogy Maraokana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Febroary 2006)

Tsy misy lahatsoratra politika tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana tamin'ny herinandro lasa, na farafaharatsiny tena vitsy. Toa nifidy lohahevitra maivamaivana kokoa ireo bilaogera Maraokana, mba hanamarihana ny fiatoana, taorian'ny herinandro tena ara-politika nanjakan'ireo sariitatra Danoà [1].

Bono [2] ao Maraoka

Mamita iraka any Etazonia.i Supertimba  Manoratra momba ny fahatsapany voalohany mikasika ny firenena Dadatoa Samy izy. Ny lahatsorany dia tantara mahatsikaiky sady mahaliana momba ny dia tany Amerika amin'ny “Maraokana very amin'ny fandikan-teny [3]” (Frantsay) araka ny tiany hiantsoany ny tenany

Indians (of India [4]) in America have nothing to do with Shah Ruk Khan [5] and they do feel offended if you talk to them about Bollywood ..

Ny Indiana (any India [4]) any Amerika dia tsy misy ifandraisany amin'ny Shah Ruk Khan [5] ary mahatsiaro ho tafintohina izy ireo raha miresaka amin'izy ireo momba ny Bollywood ianao.

Manana scoop indray i Samir, ary nanambara [6] izy fa ilay vahiny mpandahateny ao amin'ny Fez Encounters 2006 [7] dia i Bono kintan'ny rock malaza, mpihira sady mpamoron-kira malaza ao amin'ny tarika Irlandey U2.

You heard it here first! Never let it be said that we don't let you know every bit of rumour and gossip in the medina!

Sambany handre izany eto ianao! Aza avela hilaza mihitsy fa tsy mamela anao hahalala ny tsaho sy fifosana ao amin'ny Medina izahay!

Mirary ny tsirairay tratry ny andron'ny mpifankatia [8] i Lemrina, ary nanoratra tao amin'ny lahatsorany farany momba an'i Saint Valentin dokotera lasa pretra  [9](Frantsay) sy maty tany am-ponja mba ho maritiora ankalazaina isaky ny faha-14 febroary.

Mandany ny andron'ny mpifankatia manirery  [10](Frantsay) i Lady M, ary manoratra fanamarihana mahafinaritra momba ny fomba nampiasainy hankalazana ny  andron'ny mpifankatia. Nefa azafady, aza manahy, tsy nisaraka tamin'ny vadiny izy. Any Grande-Bretagne i Robert ary hiverina tsy ho ela ao amin'ny Vadiny mpanoratra ny bilaogy Chez Rasade. [11]

Mamoaka lahatsoratra mampalahelo feno fihetseham-po, momba ny toeram-pisotroana kafe iray ahafahany manadino ny zava-drehetra  [12]afa-tsy olona iray izay toa ankamamiany amin'ny fomba manokana i Selma.

Miverina amin'ny politika

Namoaka ny lahatsoratr'i Economist.com [13] momba ireo vondron'orinasa manana fotoan-tsarotra hitadiava-namana i IBAHRINE. Indrindra taorian'ny tantara ratsy tao amin'ny Enron sy WorldCom [14] namotika ny fiveloman'ireo mpiasa an'arivony.

The spread of “ social media ” across the internet—such as online discussion groups, e-mailing lists and blogs—has brought forth a new breed of brand assassin, who can materialise from nowhere and savage a firm's reputation. Often the assault is warranted; sometimes it is not. But accuracy is not necessarily the issue.

Niteraka taranaka vaovao mpamono olona- izay afaka mipoitra avy any amin'ny toerana rehetra sy manimba ny lazan'ny orinasa ny fielezan'ny “media sosialy”—toy ny vondrona adihevitra antserasera, lisitra mailaka sy bilaogy— manerana ny aterineto. Matetika voaantoka ny fanafihana; indraindray tsy izany. Saingy tsy ny fahamarinam-baovao no tena resaka.

Chighaf kosa nandefa lahatsoratra momba an'i Sidi Moumen [15], faritra mahantra dia mahantra any Casablanca. Ary  nanontany tena izy hoe rahoviana ny governemanta Maraokana vao hahita vahaolana [16] afaka manome antoka ny fiainana mendrika ho an'ny Maraokana an'arivony izay mbola miaina ao amin'io faritra malaza ho mahantra io.

You don't imagin what it means to be ashamed of his home and neighborhood..everytime I go there, my heart hearts..I'm sick of witnessing those kids ‘s eyes changing from happy to hateful .. to desperate..

Tsy azonao sary an-tsaina hoe inona no dikan'ny hoe menatra ny tranony sy ny manodidina azy … isaky ny mankao aho, midoboka ny foko .. malahelo aho mahita ny mason'ireo ankizy miala amin'ny fifaliana miova ho fankahalana .. mba ho kivy.

Malahelo i Soumiaz [17] izay nanomboka adihevitra antserasera tena mahaliana momba an'i Islamo sy ny Laika [18] raha nahafantatra fa maneho hevitra fotsiny mba handratra azy ireo bilaogera sasany, fa tsy mandray anjara am-pahamarinana amin'ny e-adihevitra.

Why is this the way it is? i really i am sad and i am afraid there ‘s not much we can do to change this world, if people instead of giving you a positive feedback to help you understand .. they try to discourage you..

Nahoana no toy izao izany? Tena maalahelo aho ary matahotra fa tsy misy zavatra betsaka azontsika atao hanova ity tontolo ity, raha tokony hanome fanehoan-kevitra tsara ho anao ny olona mba hanampy anao hahatakatra.. dia miezaka manakivy anao ry zareo.

Miverina ao amin'ny Riadzany [19] izay miresaka momba ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian'ny minisitry ny fampahalalam-baovao tamin'ny herinandro lasa tao Kairo ny lahatsoratra farany. Ary momba ny fanomezana endrika Arabo vaovao izany. Tantara mahafinaritra !!

The media action plan adopted will be developed on the international stage and spread over five years. The aim is to “correct the distorted image given to Arabs abroad”. Around $22.5m has been set aside to finance this plan, payable over the next five years, according to the contribution of each state to the Arab League budget.

Ny drafitr'asan'ny haino aman-jery nolaniana dia hovolavolaina eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary hotsinjaraina mandritra ny dimy taona. Ny tanjona dia ny “hanitsy ny sary nodisoina nomena ny Arabo any ivelany”. Manodidina ny $ 22.500 ny vola natokana hamatsiana ity tetikasa ity, azo aloa mandritra ny dimy taona manaraka, araka ny fandraisana anjaran'ny fanjakana tsirairay amin'ny tetibolan'ny Ligy Arabo.

A taste of Morocco [20]Sarin'i Maraoka

Tsidiho ny Crucivore [21] ary ho tianao ny sary navoakany. Homey sy ny tena fandinihana tsara momba an'i Fez [22] tsara tarehy.

Samir [23] kosa nanolotra ahy ity sary ity, ary tena tiako be ilay izy ka mahatsiaro te-hizara izany aminao aho.

Izay ny androany. Amin'ny Alarobia heriny indray, Inshallah;)