19 Jolay 2018

Tantara tamin'ny 19 Jolay 2018

Voces Bolivianas: Ny karnavaly sy ny Jaqi Aru

Rising Voices

Niresaka tamin'ny gazetiboky Boliviana Los Tiempos momba ny tetikasa sy ny nahaterahan'ny Jaqui-Aru, vondrom-piarahamonina virtoaly mampiroborobo ny fampiasana fiteny Aymara ao amin'ny aterineto i Eduardo Avila ao amin'ny Voces Bolivianas tohanan'ny Rising Voices. Nizara ny traikefany, sary ary lahatsary momba ny fetin'ny karnavaly ihany koa ireo bilaogera amin'ny Voces Bolivianas.

19 Jolay 2018

Andron'ny Mpifankatia sy ny U2 ao amin'ny bilaogy Maraokana

Tsy misy lahatsoratra politika tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Maraokana tamin'ny herinandro lasa, na farafaharatsiny tena vitsy. Toa nifidy lohahevitra maivamaivana kokoa ireo bilaogera Maraokana, mba hanamarihana ny fiatoana, taorian'ny herinandro tena ara-politika nanjakan'ireo sariitatra Danoà.

19 Jolay 2018

Hiperbarrio: Fetiben'ny balaonina tao La Loma

Rising Voices

Nandefa sary sy horonantsary momba ny fetiben'ny Balaonina tao La Loma (Festival des Globos de La Loma 2010) ireo olontsotra mpampita vaovao ao amin'ny Hiperbarrio tohanan'ny Rising Voices. Notantaraina mivantana tao amin'ny  Twitter sy nalefa tamin'ny horonantsary mivantana an-tserasera ilay hetsika.

19 Jolay 2018

Fijoroana Kiorda: vaovao isan-karazany

Manohy mitantara ny zava-niainany tamin'ny fampianarana tao Avaratr'i Iraka/Atsimon'i Kurdistan i Talk about the Passion. Miteny mafy i Thunder ao amin'ny toerana onenany ankehitriny ary misy voalavo ao aminy, saingy toa mankafy ny fitoerany izy ary hankalaza ny herintaona nampianarany tao Kiordistana.

19 Jolay 2018