- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovàn'ny Mpitantana Ny Lingua Alemàna

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Arahaba daholo. Nanapaka hevitra ny hitsahatra amin'ny maha-tomponandraikitry ny Fandikàna Alemàna azy tato amin'ny Global Voices i  Lena Nitsche [1], noho ny asany amin'izao fotoana izao tsy ahafahany mitantana ny tranonkala aloha amin'izao fotoana no sady ho toniandahatsoratra.

Lena tany amin'ny fihaonambe Global Voices tao Cebu, Filipina.

Ny Septambra 2014 i Lena no nanatevina laharana ny GV ho toy ny mpandika, avy eo izy lasa tena singa nanan-danja ho an'ny ekipan'ireo Mpitantana ny Asa Fandikàna tao aminay! Eo an-tànan'i Isabelle Gore [2] sy Julia Krebs [3] ankehitriny ny tranonkala Alemàna!

Isabelle sy Julia, tao amin'ny fihaonamben'ny Global Voices tao Colombo, Sri Lanka.

Aza adino ny manaraka ny asa fandikàna ataon'ny Lingua Alemàna, ao amin'ny Facebook [4] sy  Twitter [5], ary mandrisika anareo izahay hizara ny takelaka fisoratana ho mpandray anjara raha misy olona fantatrao fa liana te-hanatevina laharana ny tarika mpandika lahatsoratra [6]!