- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo vehivavy ao ambadiky ny “Revolisiona Vilory” ao Armenia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Ity manaraka ity dia lahatsoratra fiarahamiasa [1] avy amin'ny Chai-Khana.org [2], mpiara-miasa amin'ny Global Voices. Lahatsoratra sy lahatsary avy amin'i Aren Melikyan. [3]

Anisan'ny antony mahatonga an'i Armenia hanana praiminisitra ny vehivavy. Saingy ho an'ny maro, vao manomboka ny “revolisiona” izay nitondra an'i Nikol Pashinyan, mpitarika ny fihetsiketsehana fanavaozana, ho eo amin'ny fahefana tamin'ny volana Mey.

Tsy nanao hetsi-panoherana ho an'ny fanovàna governemanta ihany ireo vehivavy an'arivony izay nidina an-dalambe tany Armenia nandritra ny 40 andro tamin'ity lohataona ity, fa koa ho an'ny zon'izy ireo  [4]ao amin'ny fiarahamonina nentin-drazana anjakazakan'ny lehilahy.

Ho an'ireo telo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana: Maria Karapetyan, 30 taona, filohan'ny fampandrosoana ao amin'ny Foibe Imagine amin'ny Fiofon'ny Fifandonana, Avnik Melikyan, 22 taona, mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny Fikambanana tsy mila Herisetra, sy tsy mitady tombontsoa ary ilay mpikatroka ara-politika, 23 taona, Lilith Baghdasaryan- — izay mitaky mihoatra ny seza iray ao amin'ny parlemanta na ao amin'ny kabinetra [5].

Mitaky fanovana toe-tsaina izany ary manome ho an'ny vehivavy Armenianina bebe kokoa ny fahaiza-manao ilainy hitazonana fahefana.

Amin'izany lafiny izany, “revolisionera” tokoa ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana ireo.