- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraka: Ho fahatsiarovana an'i Michael Jackson

Sokajy: Iràka, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 29 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Misy fanehoan-kevitra maro ao amin'ny bilaogy Irakiana momba an'i Michael Jackson. Nefa aloha …

Vakio ity manaraka ity raha hamaky bilaogy ianao amin'ity herinandro ity :

Tsara vakiana ity lahatsoratra ity na dia efa somary tara aza. Nanomana ny fanadinany i Sunshine [1], tao anatin'ny fipoahana, ny tifitra ary ny fahatapahan-jiro. Ary nanoratra toy izao izy:

J'aimerais que les tirs et les explosions cessent. Ce serait un miracle. Et je serais la personne la plus heureuse du monde si nous pouvions subir moins de coupures de courant car mes yeux me font mal quand je travaille tard la nuit avec la lampe torche, je ne peux pas travailler plus de deux heures avec une mauvais éclairage ! Par moments, je me demande si je suis trop exigeante !!!

Tiako raha mitsahatra ny tifitra sy ny fipoahana. Fahagagana izany. Ary izaho no ho sambatra indrindra eto amin'izao tontolo izao raha toa ka vitsy kokoa ny fahatapahan-jiro, satria marary ny masoko rehefa miasa aho amin'ny alimbe miaraka amin'ny jiro torche, tsy afaka miasa mihoatra ny ora roa aho amin'ny jiro maizina ! Indraindray, manontany tena aho raha toa ka sarotiny loatra !!!

Michael Jackson

Namintina ny fihetseham-pony [2] tamin'ny alàlan'ny lohatenin-kiran'i MJ ny The Narcicyst, mpiangaly Rap Irakiana:

Combattre jusqu'à la mort, mais je ne suis qu'un humain.

Tu fais le “moonwalk” tandis que nous vivons en noir et blanc (black and white). Grâce à toi, on a vu l'homme dans le miroir (the Man in the Mirror) et on a cherché comment guérir le monde (Heal the world). Nous ne pouvions être assez MAUVAIS ( BAD), même un gentleman criminel (smooth criminal) savait qu'il n'était pas assez dangereux (Dangerous). Nous faisons partie du monde (We are the world), mais le monde de la musique ne sera plus le même sans toi. Excuse-nous de te faire des reproches, le monde est pourri. Continue, continue mon frère.

Tu me manques.

Miady hatramin'ny fahafatesana, kanefa olombelona ihany aho .

Rehefa (moonwalk) “mandeha eny amin'ny volana” ianao, izahay kosa anefa miaina amin'ny fotsy sy mainty (black and white). Noho ianao, nahita ilay lehilahy tao amin'ny fitaratra izahay (the Man in the Mirror) ary niezaka nanasitrana izao tontolo izao izahay (Heal the world). Tsy afaka ny ho ratsy loatra izahay (BAD), na dia ny lehilahy iray mpanao heloka bevava aza (smooth criminal) dia nahalala fa tsy mampatahotra firy izy (Dangerous). Anisan'izao tontolo izao izahay (We are the world), saingy tsy toy ny teo aloha intsony ny tontolon'ny mozika rehefa tsy eo ianao . Mialantsiny aminao izahay amin'ny fanomezan-tsiny anao  ratsy izao tontolo izao. Tohizo hatrany ny rahalahiko.

Malahelo anao aho.

Layla Anwar dia nanome voninahitra [3] azy tamin'ny alàlan'ny hoe: “Raha tsy i Michael Jackson, tsy nandefa ny sarin'ireo lehilahy mainty hoditra ny fahitalavitra MTV izay adala sy mpanavakava-bolonkoditra. Atoa Jackson no lehilahy mainty hoditra voalohany nalefa tao amin'ny MTV, niaraka tamin'ny hirany Billie Jean, nanokatra ny lalana ho an'ireo mpanakanto mainty hoditra rehetra … “, raha sady mampahatsiahy antsika fa tokony hijery lavitra momba ity vaovao ity isika:

Tandis que le monde entier est en deuil après la mort de l'icône de la pop, M.Jackson, qui a connu un tournant dans sa carrière grâce à sa chanson Thriller, Bagdad connait de nouveaux épisodes qui donnent froid dans le dos et qui marqueront un nouveau tournant dans l'histoire sanglante de ce pays maudit.

Ces quatre derniers jours seulement, 350 Irakiens ont été tués et des dizaines d'autres ont été blessés. …

Je vois déjà les zombies et les fantômes qui sortent des tombes comme dans la vidéo Thriller de M. Jackson, sauf que ce “thriller” à l'irakienne n'est pas une vidéo de musique pop et que personne ne nous rendra hommage ni ne portera le deuil pour nous.

Raha tao anatin'ny fisaonana izao tontolo izao taorian'ny nahafatesan'ilay mpanjakan'ny pop, Atoa Jackson, izay nahitana fahombiazana teo amin'ny sanganasany tamin'ny hirany hoe Thriller, dia nahitana ny andian-tantara vaovao mampihori-koditra tao Baghdad izay nanamarika ny vanim-potoana vaovao amin'ny tantaran'ny rà mandriaka eto amin'ity firenena voaozona ity.

350 ireo Irakiana maty tao anatin'ny efatra andro monja ary am-polony maro no naratra. …

Efa hitako sahady ireo faty mitsangana (zombies) sy ny lolo izay nivoaka avy tao am-pasana tahaka ny tao amin'ny horonantsarin'ny Thriller an'Atoa Jackson, raha tsy hoe angaha ity  “thriller” amin'ny endrika Irakiana ity dia tsy lahatsarin'ilay mozika pop ary tsy hisy olona hanome voninahitra antsika na hisaona ho antsika.

Hamaranana azy, mampahatsiahy antsika ny tonon'ilay hira tiany indrindra [4] nataon'i Michael Jackson i Attawie :

“Heal The World
Make It A Better Place
For You And For Me
And The Entire Human Race
There Are People Dying
If You Care Enough
For The Living
Make A Better Place
For You And For Me”

 

Ndeha ho sitranina izao tontolo izao
Andao isika hanao izany ho toerana tsara kokoa
Ho anao sy ho ahy
Ary ho an'ny olombelona rehetra
Maro ny olona no maty
Raha miahy ny velona ianao
Andao isika hanao izany ho toerana tsara kokoa
Ho anao sy ho ahy

Angamba hitsahatra tsy hifamaly izao tontolo izao mba hamantarany raha fotsy izy na mainty, tsara na ratsy, Miozolomana na tsia.

Izay aloha ny androany … Andeha  ho sitranina izao tontolo izao!