- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka hetsi-panoherana tany Nepal ny nanomezana anarana labiera soisa avy amin'ny anaran'ny mpanjaka farany

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Sakafo
[1]

Timur, izay antsoina ihany koa hoe dipoavatra Nepali dia ampiasaina ho hanitra, tsiro ary fanafody. Sary avy amin'ny Krzysztof Golik tao amin'ny Wikimedia Commons. CC By-Sa 4.0

Nahatezitra [2] ny Nepalis ny mpamokatra labiera Soisa Turbinenbräu raha nampiasa ny anarana sy ny sarin'ny mpanjaka tao Nepal teo aloha izy ireo hamoahana vokatra labiera vaovao.

Rehefa nampiditra ny tsiro timur Nepali tamin'ny famokarana ny hanitry ny labiera vaovao ny Turbinenbräu dia nanapa-kevitra ny hiantso izany hoe Birendra [3] izay manondro ny anaran'ny mpanjakan'i [4] Nepal izay nanjaka nanomboka tamin'ny taona 1972 ka hatramin'ny 2001. Napetrany niaraka tamin'izany ihany koa ny sarin'ny mpanjaka mitsiky sady mihazona veran-dabiera iray. Naharomotra ireo Nepalis indrindra ireo izay mpanohana ny fitondram-panjaka izany .

Novonoina niaraka tamin'ny fianakaviany hafa nandritra ny sakafo harivan'ny mpanjaka tamin'ny taona 2001 ny mpanjaka Birendra, izay heverina ho mpanjaka liberaly.

Satria nampidirana tsiron-tsakafo Nepaley ny labiera dia nanapa-kevitra ny hanome ny anaran'ny iray tamin'ireo labierany vavao isan-taona ho anaran'ny Mpanjaka Birendra, izay nanjaka tao Nepal nanomboka tamin'ny taona 1972 ka hatramin'ny taona 2001, ny orinasa mpamokatra labiera Turbinenbräu ao Zurich, satria noheverin'ilay mpamokatra labiera fa manakaiky ny labiera ny fanononana ny anarany.

Vondrona mpanohana ny mpanjaka vitsivitsy no nanao hetsi-panoherana [2] teo anoloan'ny Masoivohon'i Soisa ao Nepal noho ny ‘fanevatevana’ ny lovan'Itompokolahy mpanjaka. Nisy ihany koa ny fanangona-tsonia [9] antserasera manohitra ilay antsoina hoe Labiera Birendra .

Voalaza fa niantso [10] ilay mpamokatra labiera ny ambasadaoron'i Soisa any Nepal izay nangataka azy hanaisotra ny dokambarotra rehetra tamin'ny aterineto momba ilay labiera. Nanapa-kevitra ny hampiato ny fampiroboroboana ilay labiera izay nampiasa ny tsiron-tsakafo timur Nepali ny orinasa taorian'izany.

Mpanjakan'ny Labiera ! Tsia. Misy goty i Birendra, ka tsy hankasitraka ny voninahitra mampisalasala tamin'ny fanasongadinana azy ho tsiron-tsakafo avy amin'ny andian-jiolahimboto donto Soisa!

Na izany aza, tsy ny Nepalis rehetra no tafintohina tamin'ilay labiera misy tsiron-tsakafo timur .

Tia an'Itompokolahy Mpanjaka Birendra ny vahoaka.
Tia ny labiera ihany koa ny vahoaka!
Koa ahoana ary nahoana no manafintohina ny vahoaka sy mandratra ny fihetseham-pony ny fanomezana anarana ny labiera hoe “Birendra”?
Tsy manan-kevitra aho momba izay, fa mba liana fotsiny!

Nanazava ny mpamorona sy tompon'ny orinasa mpamokatra labiera, Adrien Weber, fa tsy nikasa hanala baraka ny anarana sy ny voninahitry ny mpanjaka ny orinasa.

Tamin'ny alàlan'ny mailaka iray ho an'ny Global Voices tamin'ny 15 May 2018, nilaza izy fa mbola amidy [14] ny vokatra labiera saingy amin'ny lohataona ihany no ahitana izany.

The Birendra Beer is still on sale. But it was only meant to be a seasonal beer for Springtime. Although we have undoubtedly great success also among our Nepalese customer in Zurich, we are looking forward to the next seasonal beer, the summer special. This beer called «Taifun» is spiced with Ginger and cooked with rice. It will be saleable by the end of this week.

Mbola amidy ny Labiera Birendra. Saingy natao fotsiny ho an'ny labiera mandritra ny lohataona izany. Na dia tsy isalasalana aza fa nahitana fahombiazana lehibe tamin'ny mpanjifa Nepaley tao Zurich, dia manantena ny fivoahan'ny labiera manaraka isika, ilay ho an'ny vanim-potoan'ny fahavaratra manokana. Antsoina hoe «Taifun» ity labiera ity ary nomena hanitra sakamalaho sy nandrahoana niaraka tamin'ny vary. Azo jifaina manomboka amin'ny faran'ity herinandro ity izany.

Nampalahelo ny adihevitra satria tokony ho fotoana nahafahana nanohana ny fampiasana ny timur na fantatra kokoa amin'ny anarana hoe dipoavatra Nepali izany. Timur, karazan-tsakay amin'ny Zanthoxylum, dia otazana [15] avy any anaty ala ary ampiasaina [16] ho tsiron-tsakafo, zava-manitra ary fanafody. Karazana Zanthoxylum miisa valo no vokatra betsaka [17] any amin'ny distrika miisa 30 any Nepal.

Ampiasaina [17] hikarakarana sakafo [17] any amin'ny firenena Eoropeana maro ny menaka zanthoxylum. Mahasarika betsaka ny firenena toa an'i Etazonia ihany koa ny fampiasana ny timur ho toy ny hanitra fahandroan-tsakafo [18] .

Azo antoka fa zava-baovao amin'ny famokarana labiera ny fampiroboroboana ny tsiron'ny labiera vaovao amin'ny timur saingy ratsy loatra no nahitana izany noho adihevitra nateraky ny anarana natolotra azy sy ny sariny.