- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsidihan'ny Papa an'i Etazonia: Fanehoan-kevitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Amerika Avaratra, Eoropa Andrefana, Karaiba, Etazonia, Israely, Kanadà, Tiorkia, Trinite sy Tobago, Vatikana, Fifidianana, Fifindràmonina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 22 avrily 2008)

Mitroatroatra ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovao tamin'ny fitsidihana maha-Papa voalohany [1] (Benoà 16) tany Etazonia – voalohany noho ny fanararaotana ara-nofo [2] izay nanozongozona ny fototry ny fiangonana Katolika Amerikana enin-taona lasa izay. Niresaka ny olana ny Papa tany Washington D.C. tamin'ny alakamisy, niresaka tamin'ireo niharamboinan'ny fanararaotana ara-nofo, izay nahafaly ny bilaogera sasany izany saingy heverin'ny hafa kosa ho tara loatra.

 Darryl Wolk, bilaogera Kanadiana iray :

As a Catholic, I am glad that Pope Benedict XVI addressed this issue head on. It will take more than words and apologies, to heal the scars caused by the actions of some priests towards the victims. I think today was a step in the right direction for my church.

[3]

Amin'ny maha-katolika ahy, faly aho fa niresaka ny olana tsy ankivilivily ny Papa Benoà 16. Mbola mila mihoatra noho ny teny sy ny fialan-tsiny ny fanidiana ny holatra nosokafan'ny pretra sasany tamin'ny fihetsika nataony tamin'ireo lasibatra. Mihevitra aho fa dingana mankany amin'ny lalana marina ho an'ny fiangonana ny andro androany.

Leon J. Suseran avy ao amin'ny Guyana Chronicle Blog naniry ny mba ho nanatrika izany lanonana izany [4] :

IF there was a time that I wished I was in the United States, then it would be right now, when the leader of the world’s 1.2 Billion Roman Catholics Pope Benedict XVI makes his first apostolic journey to that nation. His visit [5] comes at a time that the holy Roman Catholic Church [6] is under attack from all corners, including the recent sex-abuse scandals that have rocked the Church, but not the faith of tens of millions worldwide, who have continued under these dark times to practice the faith that was handed down by the apostles.

Raha misy ny fotoana tiako hoe mba tany Etazonia aho dia ho izao indrindra izany fotoana izany, amin'izao fitsidihana apostolikan'ny Papa Benoà XVI, mpitondra ara-panahin'ny Romana Katolika miisa 1,2 miliara izao. Tonga ao anatin'ny fanafihana ny fiangonana masina katolika romana avy amin'ny faritra rehetra izao fotoam-pitsidihana izao, tafiditra anatin'izany ny fanafintohinana ara-nofo vao haingana nanozongozona ny Fiangonana, fa tsy ny finoan'ny olona ampolony tapitrisa manerana izao tontolo izao, izay mbola manohy ny fivavahana nampitain'ny apostoly tao anatin'ny fotoana maizina.

Avy any Trinite sy Tobago kosa i Jeremy Taylor, etsy ankilan'izany, diso fanantenana tamin'ny tsi-fihetsehan'ny Papa [7]:

It's not enough for the Pope to be “ashamed” of his American paedophile priests, as he claimed to be today on his way to the US. He also has to do something about them. Actually, a lot more than just “something.”

Tsy ampy ny filazan'ny Papa hoe mahatsapa ho “menatra” izy amin'ireo pretrany mametaveta tsy ampy taona, araka izay nolazainy androany nandritra ny diany nankany Etazonia. Tsy maintsy manao zavatra ho azy ireo koa izy. Ny tena marina, mihoatra betsaka.

Talk Turkey manontany tena [8] hoe inona no mety ho fiantraikan'ny fitsidihan'ny Papa amin'ny fifidianana ao Etazonia:

I wonder if the Pope will meet with Obama, Hillary, and McCain as well. After all, this is an election year. And there are an estimated 70 million Catholics in the U.S., some of whom I would suspect have experienced divorce, practiced sex before marriage, had an abortion, and were (or know someone who have been) abused as a child by the clergy.

Manontany tena aho raha hihaona amin'i Obama, Hillary, ary i McCain ihany koa ny Papa. Taom-pifidianana manko izao. Ary araka ny fanombanana dia 70 tapitrisa ny isan'ny katolika ao Etazonia, izay heveriko fa efa nisara-panambadiana, nanao firaisana alohan'ny mariazy, nanala zaza, na (mahafantatra olona) nohararaotin'ny pretra ara-nofo nandritra ny fahazazany ny sasany amin'ireo.

Ary i Dave Weinberg avy ao amin'ny Jewneric nifantoka tamin'ny miabo [9] tamin'ny fitsidihan'ny Papa ny synagoga iray, izay nametraka zavatra sambasamba eo amin'ny tantara :

The Pope going to an American shul is, however, a very big deal and really shows the positive progress our two communities have made. It is even more appropriate that the Pope visit a synagogue on the eve of Passover, being that the Last Supper was a Seder.

Fa dingana lehibe kosa na izany aza ny nandehanan'ny papa tany aminn'y synagoga amerikana iray ary mampiseho ny fandrosoana lehibe tontosan'ny vondrom-piarahamonintsika anankiroa. Mbola mety kokoa aza raha manantomotra ny paska no nitsidihan'ny Papa ny synagoga, satria Sedera (fety paska jiosy) taloha ny niarahan'i Jesoa sy ny mpianatra nihinana farany talohan'ny nahafatesany.

Sary natao lisansa Creative Commons avy amin'i john.sonderman [3].

**Ity lahatsoratra ity dia mivoaka ihany koa ao amin'ny Voices without Votes [10]