- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihazana trozona any amin'ny nosy Faroe, fomban-drazana ve sa fandripaham-biby ?

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

(Tamin'ny 27 May 2016 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Baleias piloto-de-aleta-longa mortas em hvalba, Ilhas Faroe. Photo: Wikimedia/ Erik Christensen. CC BY-SA 3.0, https://commons.wikimedia.org/w/index.php?curid=100346

Trozona maty tao Hvalba, Nosy Faroe (2011). Sary: Wikimedia/ Erik Christensen. CC BY-SA 3.0 [1] 

Mbola fanao ara-dalàna sy mahazatra [2] any amin'ireo firenena toa an'i Japana, Norvezy, Islandy ary Danemarka ny fihazana trozona. Isan-taona, amin'ny volan'ny fahavaratra, ny [tendro-tany] Arktika no iray amin'ireo toerana ahitana ity fomba fanao ity .

Eo anelanelan'i Norvezy sy Islandy ny nosy Faroe, faritany mizakatena any (amin'ny fanjakan'i) Danemarka. Iray amin'ireo firenena mandroso indrindra manerana izao tontolo izao i Danemark noho ny fananany politika ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana maharitra indrindra. Ao amin'ity faritany mahaleotena ity, natao ny famonoana trozona (sy ny karaza-trondro antsoina hoe cétacé kely) mba hanatanterahana ny fomban-drazan'ny mponina voalohany tao amin'ireo nosy, tany amin'ny tapaky ny taonjato faha-16. Hamonoana ny karaza-trondro cétacé an-jatony  (matetika trozona sy ireo karazana feso ) isan-taona ity fombafomba antsoina hoe grind [3], na adrap ity, indrindra rehefa fahavaratra, mba hamalifaliana ny vondrom-piarahamonina izay, tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ity hetsika ity. Atomboka amin'ny fisakanana ny trozona maro, ao anaty atsasaka boribory iray izay ataon'ny sambo ampolony ilay fombafomba ary mitondra ireo biby ho any anaty helodrano na fjord  ary any no miandry ireo olona avela hanao ity fombafomba ity hitohy.

 

Caça à Baleia tradicional. Imagem retirada do livro "O barco Maria nas Ilhas Faroé no Verão de 1854" Foto: Domínio Público/ British Library

Fihazana trozona nentim-paharazana. Sary tao amin'ny boky “A Narrative of the Cruise of the Yacht Maria Among the Feroe Islands in the Summer of 1854″ (Ny fitantarana ny dian'ny sambo lehibe Maria tany amin'ny nosy Feroe tamin'ny fahavaratry ny taona 1854). Sary: Sehatra ho an'ny daholobe [4]/ Tranom-boky Britanika

Nahitana andro miavaka nihoson-dra  tamin'ny 13 Aogositra 2013 tamin'ity fombafomba ity, izay notsikerain'ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana sy narovana ho famatsiana hena ho an'ny distrika tsirairay ao amin'ireo nosy. Tao anatin'ny 24 ora monja [5], trozona miisa 135 no maty tany Húsavik. Saingy tsy i Húsavik ihany no toerana nahitana izany. Tany Hvalba, tamin'io andro io ihany, feso miisa 430 tany Atlantika no nentina nankany amin'ilay toerana voatondro ho “helodranon'ny trozona” ary novonoina tao amin'io toerana io ihany, tranga iray izay miverimberina toy izany hatrany, isan-taona ary amin'io fotoana io ihany.

Caça à baleia. Golfinhos do Atlântico mortos na doca do porto de Hvalba (2006). Tal como as baleias, os golfinhos são caçados para fins alimentares. Foto: Erik Christensen CC BY-SA 3.0

Fihazana trozona. Feso fotsy sy mainty any Atlantika novonoina tany Hvalba Harbour Dock (2006). Hazaina atao sakafo ihany koa ny feso. Sary: Erik Christensen [6]. CC BY-SA 3.0

Nisy fanangonan-tsonia [7] natao mba hamaranana ity fomban-drazana tsy mifaditrovana izay mitranga isan-taona ity tamin'ny fahavaratry ny taona 2015. Nalefa tany amin'ny kabinetran'i Kaj Leo Johannesen, Praiministra ao amin'ny Nosy Faroe ny fanangonan-tsonia, izay nifarana niaraka tamin'ny sonia miisa 50.000. Na izany aza, mitohy hatrany ny fihazana trozona isaky ny fahavaratra.

Ireo olona adala mamono hatrany ny trozona an-jatony ao amin'ny nosy Faroe, ampy izay ny fanosoran-drà ny ranomasina.

Mandritra izany, nitohy nanao hetsi-panoherana manohitra ny famonoana trozona isan-taona izay mitranga eto amin'ity faritany ity ireo vondrona [12] hafa. Iray amin'ireo firenena mpikambana voalohany ao amin'ny fandaharan'asa Eoropeana i Danemarka, izay nanomboka ny fitantanana miodina ho filohan'ny vondrona Eoropeana tamin'ny taona 2012 [13]. Nilaza i Dan Jørgensen, mpikambana tao amin'ny vondrona Parlementa Sosialista Eoropeana teo aloha hoe:

A presidência dinamarquesa deve dar especial prioridade à agenda ambiental, tendo em consideração os perigos ambientais que vivemos atualmente.

Tokony hanome laharampahamehana manokana ny fandaharan'asa momba ny tontolo iainana, amin'ny fandinihana ny loza ara-tontolo iainana atrehantsika ankehitriny ny mahafiloha ny Danoà.

Mampiseho antsika ny fomba atrehan'ny mpikatroka sasany ireo dingana hiadiana amin'izany ny andian-dahatsary fanadihadiana fohy, ao anatin'ny fanambatambarana sary izay mampiseho ny herisetran'ny zava-mitranga sy ny fomba nanaovana an'ireo izay miady amin'izany hatramin'izao andro hitrangan'io fomba io izao.