- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovàna Mpitantana ao Amin'ny Lingua Arabo!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Miarahaba antsika rehetra! Tsy ela akory izay, nanapaka hevitra ny hiato tsy ho Mpitantana ny Fandikàna ho amin'ny teny Arabo intsony i Rawan Gharib. Fanirian'i Rawan ny hametraka ho laharam-pahamehany indray ny hoavy no sady mijanona hatrany ato anatin'ny vondrom-piarahamonintsika.

Roa taona lasa teo izay i Rawan no nirotsaka nanatevina laharana ny tarika Mpitantana Asa Fandikàna tato amintsika, ary tena fanampiana goavana tokoa ho an'ny Lingua Arabo [1]! Fisaorana mitafotafo ho anao ry Rawan! Manomboka izao dia eo ambany fitantanan'i Ali Khalil [2] ny Lingua Arabo !