- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makedonia: Fampiasana media vaovao amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fifidianana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Tamin'ny mey 2008 no nivoaka ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy)

Namakafaka [1] ny “sambany” fampiasan'ireo antoko politika lehibe ny aterineto sy ny media vaovao amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana parlemanta alohan'ny fotoana, hotontosaina amin'ny 1 Jiona 2008 ireo mpanoratra ao amin'ny bilaogy media Makedoniana, Komunikacii.net.

Niara-natolotr'i Sead Dzigal sy i Darko Buldioski,  manam-pahaizana manokana momba ny media, ny fanadihadiana amin'ny (lanjan'ny) tranonkala eo amin'ireo antoko roa, ny iray avy amin'ny VMRO-DPMNE antoko mitondra, ary ny iray avy amin'ny SDSM antokon'ny mpanohitra lehibe indrindra :

Good: use of blogs, YouTube channels, Myspace, Facebook, Hi5 etc.
[…]
Good also: use of video, audio, posting documents, comments, etc.

Most of—it seems all—the campaign materials are available online, too. The websites receive regular updates… and heavily use free online services, apparently to cut costs, which seems like a smart move.

Internal Macedonian Revolutionary Organization – Democratic Party for Macedonian National Unity [2] Social Democratic Union of Macedonia [3]

Bad: the “social” portion is absent in their use of social media [4]. The blog posts are mainly transcripts of their rally speeches, and the content is basically recycled from their TV commercials and other uses such as to be fed to traditional media, analysts, journalists and similar actors, but not blogs per se. The posts are long, different audiences are targeted in each post, and personal experiences or input from the politicians is lacking. Even the impressions on their events are lacking, depriving their blogs of the essential individual, personal perspective. The video clips are made for TV and not for vlogs [5], print campaigns which do not fit viral media [6], photos as décor and not as source of (inside) information. […]

Probably these are the reasons why these blogs do not receive many visits, there are but a few comments, and are simply left out of the general political discussion (for the time being).

In conclusion […], it's great that political parties adopted many new services and channels for electoral propaganda, but the effects will probably be quite small, because the websites are used as web repositories or warehouses for loads of materials tirelessly produced for the electoral campaigns in Macedonia.

Tsara: fampiasana bilaogy, fantsona YouTube, Myspace, Facebook, Hi5 sns.
[…]
Tsara ihany koa: fampiasana lahatsary, feo, famoahana dosie, fanehoan-kevitra, sns.

Toa hita antserasera ihany koa ny ankamaroan'ireo fitaovana fanentanana. Mahazo fanavaozam-baovao ara-potoana ny tranonkala… ary mampiasa mafy tolotra antserasera maimaim-poana, mba hampihenana ny fandaniam-bola, izay tahaka ny fihetsika mety.

Internal Macedonian Revolutionary Organization – Democratic Party for Macedonian National Unity [2] Social Democratic Union of Macedonia [3]

Ratsy: tsy hita amin'ny fampiasan'izy ireo media sosialy  [4]ny lafiny “sosialy (fiarahamonina)”. Dikantsoratra avy tamin'ny kabarin'izy ireo tamin'ny famoriam-bahoaka ny ankamaroan'ny lahatsoratra bilaogy, ary ny votoaty dia mifototra tamin'ny dokambarotr'izy ireo tamin'ny fahitalavitra sy ny fampiasana zavatra hafa toy ny media mahazatra, mpanao fanadihadiana, mpanao gazety sy mpiantsehatra tahaka izany fa tsy bilaogy isan'olona. Lava ny lahatsoratra, karazan'olona maro no kendrena isaky ny lahatsoratra, fa tsy misy ny zava-niainana manokana ary tsy ampy ny avy amin'ireo mpanao politika. Na ny fahatsapana ny fisehoan-dry zareo aza tsy misy, ka tsy manana ny fiavahany ilaina ny blaogin'izy ireo, sy zorom-pijerena manokana. Natao ho an'ny fahitalavitra ny horonantsary fa tsy ho an'ny vilaogy (bilaogin-dahatsary) [5], fanentanana vita pirinty tsy mifanentana amin'ny fitaovam-pampitam-baovao manely haingana [6], sary toy ny fandravahana fa tsy toy ny loharanom-baovao (anatiny). […]

Angamba ireo no antony mahatonga ireo bilaogy ireo tsy mahazo fitsidihana maro, misy ny mpitsidika saingy vitsy ny fanehoan-kevitra, ary navela fotsiny ho an'ny adihevitra ara-politika amin'ny ankapobeny (hatramin'izao).

Fehiny […], mahafinaritra fa mampiasa fantsona sy tolotra vaovao maromaro ho amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana ireo antoko ara-politika, saingy mety ho kely ny fiantraikany, satria nampiasaina ho habaka fanariana na fitehirizana ho an'ny fitaovana marobe vokarina hatrany isaky ny fampielezan-kevi-pifidianana ao Makedonia ny tranonkala.

Tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'izany lahatsoratra izany, bilaogera malaza eo an-toerana Ribaro [7], nanoratra [8] hoe:

The most interesting thing about the bunch of blogs created by political parties for this election is that they have some incompetent idiot appointed as administrator responding to user comments. For instance a response to some relevant question by such person was: “And who's asking?” Bottom! As long as they belittle the power of the blog and the blogosphere, their blogs will receive minuscule visitor flow and only by their praising party members. The situation was the same with the elections in 2006. They advanced in quantity, but not an inch in quality.

Ny zavatra tena mahaliana indrindra momba ny andiana bilaogy natsangan'ireo antoko ara-politika tamin'ity fifidianana ity dia manana adala tsy mahay notendrena ho mpitantana mamaly ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera izy ireo. Ohatra, valinteny ho an'ny fanontaniana lehibe sasany napetraky ny olona: “Iza no manontany?” Vody! Raha mbola manambany ny herin'ny bilaogy sy ny tontolon'ny bilaogy izy ireo, dia ho vitsy ny mpitsidika, angamba ireo mpikambana sy mpanohana ny antoko ihany. Tahaka izany ny zava-misy tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2006. Nandroso tamin'ny habetsany izy ireo, fa tsy nisy ny kalitao.