Tantara tamin'ny 05 Mey 2018
Mpitarika Mpianatra Maty tany Am-ponja & Ady any Libanona
Maty tany am-ponja ny Iraniana iray mpitarika mpianatra, Akbar Mohammadi, raha nifady hanina. Tohina ireo bilaogera maro naheno ity vaovao ity ary nizara ny heviny sy ny fihetsehampony tanatin'ny bilaoginy tamin'ny fomba isan-karazany, manomboka amin'ny fanoratana ka hatramin'ny fanaovana sariitatra.
Shina: Fikarohana izay nidaroka baomba fiara fitateram-bahoaka tao Kunming
Taorian'ny fanapoahana fiara fitateram-bahoaka tao Kunming omaly, nampiseho tantara tao amin'ny pejim-baovaon'ny Netease ny tatitra avy amin'ny tranonkalam-baovao iray ao an-toerana momba ny fisavàna kara-panondro ataon'ny polisy mitam-piadiana eny an-dalana.
Serbia: Bilaogera miresaka momba ny fisamborana an'i Radovan Karadžić
Andro vitsy monja taorian'ny fitsingerenan'ny faha 13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica, izay olona maherin'ny 7.000 no namoy ny ainy, ary sivily Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, voasambotra i Radovan Karadzic, filoha teo aloha tao amin'ny Repoblika Srpska. Miresaka momba izany ireo bilaogera.
Balkana, Rosia: Voasambotra i Radovan Karadžić
Araka ny tatitra, voasambotra tao Serbia tamin'ny alin'ny Alatsinainy ny lehiben'ny Serba Bosniana teo aloha sady anisan'ny gadra nitsoaka karohana indrindra manerantany, Radovan Karadžić.
Bilaogera amin'ity herinandro ity: Elena Ignatova
Na dia tsy bilaogera aza ara-teknika ny Bilaogeran'ny herinandro anio, malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Makedoniana amin'ny asany ao amin'ny Global Voices amin'ny teny Makedoniana izy, satria mpandika teny sy tonian-dahatsoratra ao izy. Ankoatra izay, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices Albaney ihany koa izy, ary mpankafy mamaky bilaogy.
Korea: Manavotra aina iray
Olom-pirenena iray mizara tantara mahafinaritra nitranga taminy tamin'ny andro mahazatra. Mety tsy ho sarotra ny manampy ny hafa.
Makedonia: Fampiasana media vaovao amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana
Namakafaka ny "sambany" fampiasan'ireo antoko politika lehibe ny aterineto sy ny media vaovao amin'ny fampielezan-kevitra ho amin'ny fifidianana parlemanta alohan'ny fotoana, hotontosaina amin'ny 1 Jiona 2008 ireo mpanoratra ao amin'ny bilaogy media Makedoniana, Komunikacii.net.
Miraondraona ny bilaogy any Azia Atsimo
Vaovaon'ny bilaogy avy any Azia Atsimo.