- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Randram-panentanana Ho An'ny Fianakavian'ireo Nandevozina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sendikà, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008)

Akaiky izao ny taombaovao Shinoa, fetibe tena manan-danja indrindra any Shina. Na izany aza, misy foana ny vondron'olona izay tsy afaka mody amin'ity fotoana mahafinaritra indrindra amin'ny taona ity ;  mivenjivenjy mitety tanàna izy ireo mikaroka ny zanany malalany, izay nandevozina tamin'ny ” fandoroana biriky anaty lafaoro ” ary mbola tsy hita hatramin'izao. Izy ireo no havana, ireo niharam-boina tavela tamin'ny raharahan'ny andevo Shinoa tamin'ny 2007 [1].

Nandeha ny fotoana, adinon'ny haino aman-jery sy ny olona tsikelikely ny tebitebin'izy ireo momba ilay resaka, izay iray amin'ireo hetsika tena tsy nanaja ny maha-olona tamin'ny 2007. Nifarana sady noheverina fa nahavita be ny hetsika fanavotana nataon'ny governemanta tamin'ireo mpiasa tsy ara-dalàna 300.

Na izany aza, tsy midika izany fa nahazo ny famonjena azy avokoa ireo andevo rehetra. Cai Changqing, tovolahy iray moana marenina, tsy hita taorian'ny nanafoanan'ny governemanta ireo fandoroana biriky. Nanao dia lavitrezaka 1000 maily (1610 km eo ho eo) ireo ray aman-dreniny mba hitady ny zanany lahy, raha mbola tena lavitra azy ireo tokoa ilay zaza. Miao Lisong, raim-pianakaviana iray, dia very zanaka lahy ihany koa efa ho tamin'ny 2005. Niala tamin'ny asany izy mba hanokana fotoana hikaroka ny zanany, ary manaparitaka ny sarin'ilay tovolahy. Ambonin'izay, tao ambany tontolo tsy mifaditrovana, dia nisy ireo mpiasa sasany tena nampijaliana ka lasa narary saina ary ny vitsivitsy tamin'izy ireo dia tsy hita taorian'ny namonjena azy.  Ray aman-dreny maromaro no sahirana mikaroka irery satria nofaranan'ny governemanta ny fanadihadiana taorian'ilay safotofoto nandalo. Mety ho tratry ny fanafenana ny fiantraikany sy ny vokatr'izany maro hafa.

 

calling
Tsy hita ny zanany


Ny sarin'ireo mpiasa very


Ny dianay

Araka ny voalazan'ny mpisolovava Xu Zhiyong, dia nahazo baiko ireo mpisolovava rehetra ao Xi'an fa tsy tokony hiaro ireo mpiasan'ny lafaoro fandoroana biriky amin'ny fitakiana karazana onitra. Ary fanenjehana araka ny lalàna betsaka no mbola miandry, izay mamela ireo ray aman-dreny toa an'i Zhang, izay manan-janaka lahy naratra sy may tao anaty lafaoro, hijaly amin'ny fiandrasana tsy misy fiafaràny. Izany no antony nanombohan'ilay mpitoraka bilaogy malaza IAMV ao amin'ny bulloger.com  [2]ny tetikasa tolo-tànana [3], izay nivadika ho hetsika goavana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy, mba hanampiana ireo ray aman-dreny tsy misy mpanampy.

为黑窑母亲群体及获救窑工派过年红包“网友送温暖”活动捐款方案

现实之于他们如此坚硬,我们可能没什么办法帮到他们什么忙,但至少可以让他们感受到世界还有人性的柔软的另一面。 所以,发起这次对部分黑窑母亲及获救窑工送过年红包的募捐活动。 以下是我们准备送红包的黑窑母亲及获救窑奴名单,他们只是黑窑受害者的一小部分,鉴于没有公开全面的信息来源,我们暂时只能做到这一步。

Tetikasa tolo-tànana no ho an'ny mpisera amin'ny aterineto mba hitondràna hafanàna sy hanomezana vola ho an'ireo reny sy mpiasa voavonjy tamin'ny raharahan'ny lafaoro mainty.

Mafy ho an-dry zareo ny zava-misy. Mety tsy afaka ny hanampy be azy ireo isika, fa fara-faharatsiny avelantsika ho tsapan-dry zareo fa misy foana ny lafiny malemy fanahy amin'ny maha-olombelona. Noho izany nanao ity fanentanana ity izahay mba hitadiavana fanampiana ho azy ireo, mba hahafahan-dry zareo manana ny taona vaovao tsara.  Asehon'ity lisitra eto ambany ity ny anaran'ireo reny sy ireo mpiasa voavonjy tamin'ny “lafaoro mainty”. Isan'ireo niharam-boina ry zareo. Koa satria tsy nisy fampahafantarana misokatra sy feno momba io resaka io, dia izay no azonay atao amin'izao fotoana izao.

捐赠人:所有自愿参加送温暖活动的网友 组织者:IAMV 受益人:失踪窑工袁学宇家长袁成、柴长青家长柴伟、苗全(又名苗旭鹏)家长苗立松、霍晨阳家长霍耀周、赵永民家长赵臣义、李鹏家长蒋花荣、秦明辉家长李玉亲、何建强家长何大楼;怀疑被掳为窑工的陈昌家长王小丽……等 获救窑工张文龙(化名)、李耀锴、陈小军、庞飞虎、周道明、肖文龙、刘亚飞、刘伟等

Mpanome: izay rehetra te-handray anjara.
Mpikarakara: IAMV
Ireo omena fanampiana: Yuan Cheng; Cai Wei, parent of Cai Chang, Miao lisong, Huo Yaozhou, Zhao Chengyi, Jiang Huarong, Li Yuqin, He Dalou, Wang Xiaoli, sy ny sisa. ( Fianakavian'ireo mpiasan'ny lafaoro avokoa ireo).

接收捐款的银行帐号:4060101-01880211765 开户行:中国银行北京崇外大街支行 崇文区崇外大街44号 户名:钭江明 期限:2008年1月22日至2008年2月21日(正月十五)24时。

Laharan'ny kaontin'ny banky : 4060101-01880211765
Banky: Bank of China, sampana any  Beijing Chong Wai Street
Anaran'ny mpampiasa : Dou Jiangming  Fe-potoana: 22/01/2008 ka hatramin'ny 21/02/2008

规则: 一、捐款汇至上述银行帐户;当你向上述帐户汇款时,表示你已经阅读、理解并接受本方案,视为你已经同组织者达成捐赠协议。 二、截至2008年2月21日(正月十五)24时,将所有捐款以现金或实物方式送给受益人。 三、分别给每个受益人的数额由组织者IAMV与辛艳华、罗永浩、王小山根据受益人的家庭经济状况及个人意愿共同商讨决定。 四、受益人包括但不限于上述所列名单,捐款活动结束后一个月内,组织者公布所有受到捐助的受益人名单。 五、受益人自由支配获捐款项。

1. Azafady, mandrotsaha ao amin'ny kaontin'ny banky voasoratra etsy ambony. Raha toa ka manome ianao, midika izany fa namaky, nahazo, ary nanaiky ilay tetikasa ianao. Noheverina fa tratra ny tanjona tamin'ny fifanarahana tamin'ny mpikarakara momba ny fanomezana.
2. Ny fanomezana rehetra dia tsy maintsy halefa any amin'ireo mila fanampiana fara-fahatarany ny 21/02/2008.
3. Ny mpikarakara IAMV ( mpitoraka bilaogy malaza ) sy i Xin Yanhua (olom-pirenena mpanao gazety izay nanampy tamin'ny famonjena ireo mpiasa), i Luo Yonghao ( tompon'ny Bulloger, ilay bilaogy malaza tsy miangatra ), Wang Xiaoshan (mpanao gazety) no hamaritra izay tontalin'ny fanampiana ho atolotra ny tsirairay, ary mifototra amin'ny toebola sy ny finiavan'ny tsirairay.
4. Tsy voafetran'ireo ao amin'ny lisitra eo ambony ireo ihany no hahazo fanampiana. Iray volana aty aorian'ny fanentanana, havoakan'ireo mpikarakara ny lisitr'ireo handray fanampiana.
5. Hanana ny zo feno hampiasa ny fanomezana ireo mpandray fanampiana.

阳光保障措施: 一、罗永浩先生保管捐款帐户存折,保证不将该存折交给他人,并定期公布接收捐款的金额(公布频率不低于七天一次)。 二、王小山先生掌握捐款帐户密码,并保证不将自己掌握的折卡密码泄露给他人。 三、罗永浩先生、王小山先生、IAMV承诺仅在三人同时在场的情况下方可提款。 四、IAMV承诺捐款帐户提出的款项将仅交付给受益人。 五、取款及向受益人汇款的过程,由律师见证。 撤销捐赠的流程: 一、捐赠人在捐款后一个月内有权撤销捐赠。 二、要求撤销捐赠的,需要提交汇款凭证原件供组织者或组织者指定的人士查验。 三、核实汇款信息属实后半个月内,组织者将相应的款项退还给原汇款人(退款时,收款人、收款帐号为原汇款人、原汇款帐号)。

Ny fiantohana misokatra 1. I Luo Yonghao no mitàna ny bokin'ny banky sady mampanantena fa tsy omeny olon-kafa izany. Ary koa, hanokatra matetika ny totalim-bola voaray.
2. Wang Xiaoshan no miandraikitra ny tenimiafina ary mampanantena fa tsy omeny na iza na iza izany.
3. Luo, Wang, IAMV mampanantena fa eo anatrehan'ireo olona 3 no hany ho fomba famoahana vola ao amin'ilay kaonty.
4. IAMV dia mampanantena fa ireo mila fanampiana irery ihany no hotolorana ny vola ao amin'ny kaonty.