- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mem, Efitra Mihajan'ny Fiteny, Manasongadina Ireo Fiteny Madinika

Sokajy: Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV

MeM, hita avy ety amin'ny Prinsetún

Hisy ny hetsika mahaliana maro hatao any Ljouwert [1] (Leeuwarden amin'ny teny Holandey) mandritra ity taona ity ao anatin'ny Renivohitra Ara-kolontsaina Eoropeana 2018 [2]. Fampisehoana, tantara, fampiratiana, tantara an-tsehatra, fianihana ary hazakazaka am-bisikileta … saingy tsy misy tena mahaliana anay toy ny MeM [3] (Efitra Mihajan'ny Fiteny).

Tononkalo amin'ny teny Frisian, ao amin'ny Taletún (Zaridainan'ny fiteny)

Manomboka ny 30 martsa ary hifarana ny 28 Oktobra, nanasa ny vondrom-piarahamonin'ny fiteny manerana izao tontolo izao ny Afûk [4] (Ny fikambanana ho fampiroboroboana ny fiteny sy ny kolontsaina Frisian [5] ) ary handray ny sehatra mandritra ny herinandro ao amin'ny MeM (ao amin'ny Prinsetún) sy hizara ny fiteniny sy ny kolontsainy. Ho hitanao ao amin'ny MeM ny mozika, poezia, tantaram-piainana sy ny fiteny maro hafa ary afaka mankafy ireo sakafo sy zava-pisotro ihany koa ianao mandritra izany.

Natokana ho an'ireo fiteny ao Holandy ny herinandro folo voalohany ary nanomboka tamin'ny Bildts  [6]ny MeM. Ary tokony ho tsara kokoa ny nanombohan'izany.

Fanazavana sasantsasany momba ny Bildts

Nahitana hetsika isankarazany ny herinandron'ny Bildts , hatrany amin'ny famakiana poezia ka hatrany amin'ny mozika velona, ​​anisan'izany ny fanehoan-kevitra mivantana tao amin'ny Bildtse Post [7], ny sary hosodoko mivantana ary nisy mihitsy aza ny lesona Bildts! Raha ny marina, nasongadina tao amin'ny De Bildtse Post [8] ny MeM , izay nanomezan'ny mpitsidika ny heviny momba ny maha-zava-dehibe ity hetsika ity ho fiarovana ny fiteny madinika ao anaty gazety izay feno ny fandraisana anjara avy amin'ny mpitsidika tao amin'ny MeM.

Mpitsidika manoratra ho an'ny De Bildtse Post

Olona miisa 3 000 teo ho eo no nitsidika ny MeM sy ny Taletún ny herinandro voalohany, ary maro no nizara taminay ny teny tiany indrindra tamin'ny fiteny toy ny Frisian [5], Flemish [9], Gronings [10], Bildts [6]…ary ny Shinoa [11], Catalan [12], Rosiana [13] ary Portiogey ihany koa. Hanatevin-daharana ireo teny nangonina avy amin'ireo fiteny Eoropeana miisa sivy ireo teny ireo ary hasongadina amin'ny fahavaratra ao amin'ny MeM: Irlandey [14], Upper Sorbian [15], Basque [16], Manx [17], Maltese [18], Galician [19], Cornish [20], Asturian [21] ary Friulian. [22]

Ireo teny miisa 10 tsara tarehy indrindra amin'ny teny Irlandey, Upper Sorbian, Basque, Manx, Maltese, Galician, Cornish, Asturian ary Friulian

Nanao veloma ny Bildts izahay  tamin'ny Alahady ary nandray ny fiteny vaovao tao amin'ny MeM: Achterhooks [23]. Mandalova any an-toerana ary iaino amin'ny fomba an'arivony samihafa ny fiteny!

Manambatra hery ny Afûk sy ny Wikitongues Handraketana Ireo Fahasamihafan'ny Fiteny ao amin'ny Tranoben'ny Fiteny 

Mpilatsaka an-tsitrapo WikiTongues sy  mpianatra asa ao amin'ny Afûk, Guillem Belmar, mandrakitra ny mpandahanteny Bildts ao amin'ny MeM.

Koa satria tandindonin-doza sy/na tsy fantatra (fiteny toy ny Bildts, Sorbian, Fiteny Holandey amin'ny tanana, Manx, Limburgish, Drèents na Cornish) ny ankamaroan'ny fiteny izay nasaina tao amin'ny MeM, dia nanomboka fiaraha-miasa ny Afûk sy ny Wikitongues [24]  mba hanaovana ezaka sy handraketana mpandahanteny maro sy fiteny maro araka izay azo atao. Araho tsy tapaka ny fanampim-baovao ao amin'ny lisitry ny lahatsary [25] WikiTongues izay efa misy!