- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo Mankany Amin'ny Lalina Avy Amin'ny Vovonana Global Voices 2017 Tany Colombo, Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Mediam-bahoaka, Tsidika, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Ny volana Desambra lasa teo, tany Colombo, Sri Lanka, nivory tao tao amin'ny efitrano kely filalaovan'ny hotely — sy ny tafio-drivotra mahery nitsoka tany ivelany — mpandray anjara ato amin'ny Global Voices miisa folo manerana izao tontolo izao no niresaka momba ny finamanana iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa miampita kolontsaina samihafa ary ny lanjan'ny vondrom-piarahamonina.

Anisan'ireo mpanoratra, mpandika teny ary toniandahatsoratra an-jatony avy amin'ny firenena miisa 60 izy ireo izay nivory tao amin'ny hotely Mount Lavinia manatontosa vovonana Global Voices fanao isaky ny roa taona mba hiresaka momba ny hoavin'ny fampitam-baovao, ny vondrom-piarahamonina ary momba ny fikambanana tenany.

Amin'ity fizaran-tantara am-peo Mankany amin'ny Lalina fandraisam-peo Global Voices ity no angadianay lalina lohahevitra iray izay tsy mahazo ny tati-baovao mendrika azy. Ary hanome anareo ny topi-mason'ny vovonana Global Voices farany teo izahay ato anatin'ity rakipeo ity.

Tambajotra iraisam-pirenena ahitana olona mafana fo manaraka tsy tapaka ny resadresaka antserasera miseho any amin'ny faritra misy azy ireo ny Global Voices. Manangom-baovao ireo tantara avy amin'ny firenena miisa 167 ireo olona miisa 1400 mahery, mpilatsaka an-tsitrapo sy mpandray anjara ny ankamaroany, ary manao fandikanteny izany amin'ny fiteny miisa 30 mahery. Miara-manorina ny tetezan'ny fifankahazoana izahay, araka ny tianay hiantsoana izany, amin'ny alàlan'ny tatitra nomerika nanomboka hatramin'ny taona 2005.

In this episode, we featured Creative Commons licensed music from the Free Music Archive, including Rite of Passage [1], Quasi Motion [2], and Tikopia [3] by Kevin MacLeod.

Amin'ity fizaran-tantara ity, asongadinay ireo hira manana lisansa Creative Commons avy ao amin'ny Arisivan'ny Mozika Maimaimpoana [malalaka], ka anisan'izany ny Rite of Passage [1], Quasi Motion [2], sy Tikopia [3] avy amin'i Kevin MacLeod.

Selfie nalain'i Faaris Adam [4] tamin'ny Vovonana Global Voices tany Colombo ny sary nampiasaina. Nahazoana alalana.