- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fankalazana Ny Fandraisan'anjaran'ny Afro-Latino Tany Amerika Latina

Sokajy: Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Tantara

(Marihina fa tamin'ny 3 Febroary 2010 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nankalazaina tany Etazonia sy Kanada nandritra ny Febroary 2010 ny Volana natokana ho an'ny Tantaran'ny Mainty Hoditra [1], ary matetika ny hetsika manokana sy ny hetsika fahatsiarovana hafa no mameno ny tetiandro mandritra io fotoana io. Bilaogera maromaro no nanangana tetikasa antserasera sy nanome fanazavana fanampiny momba ireo vondron'ny razambe Afrikana Mainty ho famenoana ny lanonana, ho fanomezam-boninahitra .

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy [2] Inside My Head i Anthony Otero, bilaogera sady Pôrtô Rikana no Ekoadaoreana, izay niasa tao amin'ny Oniversite Syracuse :

In taking time to really look at this month, we normally focus on African Americans as they should. However, I would like to see that we expand the realm of this exploration to encompass Afro Latinos.

Tena mifantoka amin'ny Afro-Amerikana araka ny tokony ho izy isika rehefa tena mandinika ny dikan'ny hoe volana ho an'ny tantaran'ny Mainty Hoditra. Na izany aza, tsara raha itarina any amin'ireo Mainty Hoditra any Amerika Latina ity sehatry ity.

Manondro ireo Amerikana Latina miaraka amin'ny razambeny Afrikana Mainty Hoditra ny teny hoe Afro-Latinos na Afro-Amerikana Latina [3] , izay heverina fa eo anelanelan'ny 100 ka hatramin'ny 150 tapitrisa manerana ny faritra. Jereo ato [4] ho an'ny mponina Afro-Latino any Amerika. Teny iray hafa izay nampiasan'ny Afrikana-Latinos maro hiantsoany ny tenany ny hoe Latinegro/a. Midika hoe mainty hoditra amin'ny teny Espaniola ny teny hoe “negro” .

Niaraka tamin'ireo bilaogera Bianca Laureano [5] sy Prof. Susurro [6], nanomboka ny bilaogy Latinegr@ [7] tao amin'ny Tumblr i Otero. Ny asa hotanterahiny:

Expanding the inclusively of Black History Month is a goal for several of us, self-identified LatiNeg@s, Afro-Latinos and Afro-Caribeños. As people who recognize and claim the African heritage and history, we have often been excluded from US History, whether it be Black history or Latino history (Septermber 15-October 15). Join us in honoring and recognizing LatiNegr@s this year during Black and Latino History Month. We are Black, Latino and from the Caribbean. We REPRESENT!

 

Ny hampivelarana ny Volan'ny Tantaran'ny Mainty Hoditra miantso ny tenany hoe LatiNeg@s, Afro-Latinos ary Afro-Caribeños no tanjon'ny maro aminay. Mitaky ny lova sy ny tantara Afrikana izahay amin'ny maha-anay anay, matetika izahay no ahilika amin'ny Tantaran'i Amerika, na io mandritra ny tantaran'ny Mainty Hoditra na ny tantara Latino (atao ny 15 Septambra ka hatramin'ny 15 Oktobra). Miaraha aminay amin'ny fanomezam-boninahitra sy ny fankasitrahana ny LatiNegr@s amin'ity taona ity mandritra ny Volana natokana ho an'ny Tantaran'ny Mainty Hoditra sy ny Latino. Mainty Hoditra, Latino izahay ary avy any Karaiba . MISOLOTENA izany izahay!

Namariparitra ny fomba nahaterahan'ny tetikasa tao amin'ny bilaogy [8] Vivir Latino ihany koa i Laureano   :

It all started when I posted a list of LatiNegr@s To Look Out For In 2010. I began to talk with writer and poet Anthony about how so many of us don’t know our history, how we are omitted, and the need for recognition and representation. We decided to create a virtual project on our own online homes as well as create a communal space for discussion, engagement, and knowledge production.

Nanomboka izany rehetra izany rehefa nandefa ny lisitry ny LatiNegr@s ny taona 2010 aho. Nanomboka niresaka tamin'ilay mpanoratra sady poety Anthony aho momba ny tsy fahalalana ny tantarantsika, ny fomba nanilihana antsika ary ny fikatsahana ny fankatoavana sy ny fisiantsika (mainty hoditra). Nanapa-kevitra ny hamorona tetikasa virtoaly tao amin'ny tranonkalanay izahay ary namorona sehatra iraisana hanaovana adihevitra, ny fandraisana andraikitra, ary ny famokarana fahalalàna ihany koa.

Photo of Schomburg and used under Wikimedia Commons [9]

Sarin'i Schomburg, nampiasàna  lisansa Wikimedia Commons

Efa nanampy tamin'ny famoahana ny lisitr'ireo Afro-Latinos hojerena tamin'ny taona 2010 [10] izy ary nizara torohay momba ireo Afro-Latinos manandanja avy any amin'ny firenena niaviany ny hafa tahaka ilay bilaogera Efrain Ortiz, Jr. Ortiz.  Nolazain'i Ortiz ohatra ny momba an'i Arturo Alfonso Schomburg [11], ilay mpahay tantara Pôrtô-Rikana, mpanoratra ary mpikatroka, izay nanampy tamin'ny fikarohana momba ny fandraisana anjara lehibe nataon'ny Afro-Latinos hafa tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan'ny taonjato faha-20.